Nidinika niaraka ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr Randrianambinina Blanchard, sy ny praiminisitra teo aloha, Pr Mangalaza Eugène, ary ny minisitry ny Fampianarana ambony teo aloha, Dr Razafindehibe Etienne Hilaire, omaly. Fototry ny fihaonana ny tolo-kevitra hananganana laboratoara ho an’ny fikarohana sy ny fametrahana fakiolten’ny Haisoratra sy ny siansa maha olona […]
Mois : août 2024
BIMTT : lavitr’ezaka ny fiandrianana ara-tsakafo
Tontosa tetsy amin’ny sekoly Masina Misely Amparibe, ny faran’ny herinandro teo, ny fihaonamben’ny Birao ifandraisan’ny mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny tantsaha (BIMTT), hivondronan’ireo mpampiofana eo anivon’ny fiangonana efa-tonta: Katolika, FJKM, Loterana ary Anglikanina. « Mbola lavitra ny ezaka ho an’ny fiandrianana ara-tsakafo raha ny eto Madagasikara, manoloana ny olana goavana iainan’ny tantsaha […]
Fanabeazana: omena fitaovana ny mpampiofana
Tontosa ny atrikasa famolavolana fitaovana hoenti-manatontosa tantsoroka ho an’ny mpampiofana. Notanterahin’ireo mpamolavola isaky ny foibem-pitondrana voakasika sy ireo tomponandraikitra isaky ny faritra, ny herinandro lasa teo, izany. Voafaritra, tamin’izany, ireo akora fototra ahafahana manodina sy mandrakitra an-tsary ireo tohana omena ny mpampiofana sy ny mpitantsoroka. Ahitana lohahevitra 22, miompana amin’ny […]
Fitantanana ny loza: miray ombon’antoka ny BNGRC sy ny Banky iraisam-pirenena
Lohalaharana amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena miompana amin’ny fiatrehana ny loza sy ireo paikady maro mahakasika ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra ny Banky iraisam-pirenena. Teo anilan’ny BNGRC hatrany izy ireo. Nitafa sy nifanakalo hevitra ny Tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja sy i Tahir Akbar, manam-pahaizana manokana momba ny […]
Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : vono olona, halatra moto, fanafihana
Mihoron-koditra ny mponin’ i Toamasina amin’izao fotoana. Mirongatra ny vono olona, ny fanafihana mitam-piadiana, ny halatra moto, ny harom-paosy ary ny vaky trano… Lasa manjaka tanteraka ny asan-jiolahy ao an-toerana, ankehitriny. Ho an’ ny alatsinainy tapany maraina teo fotsiny, nahitana trangana tsy fandriampahalemana maro tao an-toerana. Anisan’ izany ny asan-jiolahy […]




