Mois : août 2024

Sandam-bola : mananika ny 5 000Ar ny euro

Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy. Manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray amin’izao. Omaly, nisanda 4 987,33 Ar ny euro iray, ary 4 995, 13Ar izany ny alarobia teo. Nisanda 4 575,39Ar kosa ny dolara, omaly. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika, toy ireo filana andavanandro […]

Fanjifana : nidangana ny vidim-piainana nandritra ny enim-bolana voalohany

Niakatra 7,2% ny tahan’ny sondrobidim-piainana (inflation) eto Madagasikara, ny volana jona teo, raha oharina ny tamin’ny volana janoary. Niakatra 5,2% ny vidin’ireo entana nafarana teo anelanelan’ny volana jona 2023 sy ny volana jona 2024. Tafakatra 7,2% ny tahan’ ny sondrobidim-piainana nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2024 ity, raha 7,4% […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao ao amin’ny Kianja Côte d’or Maurice, rahampitso, ny lalao mandroso hikatrohan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Fihaonana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona ny hiatrika izany. Miandry ny famoahan’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny lisitry […]

Rally Boeny: mitarika i Fred sy i Mick

Mizotra antsakany sy andavany ny “Mobil Rally of Boeny”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rallye, tanterahina any Mahajanga. Fihaonana karakarain’ny Gojang. Nanjakan’ny klioba Asacm ny andro faharoa nanatontosana ny dingana manokana “ES” miisa 6. Izy ireo avokoa mantsy no tafiditra telo voalohany. Mitarika anefa i Fred […]