Mois : août 2024

INDRAY MIJERY

Hanao volonandro ririnina ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, indrindra fa any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany sy ny afovoany atsinanan’ny Nosy, ao anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana koa ny toetr’andro any an-dranomasina, amin’ny moron­tsiraka Afovoany Andrefana, Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo-Atsinanana. Efatra ny fototry ny asa mifandraika amin’ny maha olona : […]

Distrika efatra ao Atsimo Andrefana: Vitsy ny fantsakana misy rano nefa mbola ahitana otrikaretina

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity, tany Toliara, ny vokatry ny fanadihadiana notontosain’ny ONG Sahi, mpiara-miasa amin’ny Unicef ao anatin’ ny tetikasa Mionjo. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ho an’ny distrika efatra nohadihadiana: Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana, ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, 47,5% amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Taorian’ny fahombiazana teny amin’ny CGM Analakely. Haseho an-tsehatra eny amin’ny Ivokolo Analakely indray “Ilay ray izay tsy ananako”, iarahana amin’ny Iza, ny alahady 18 aogositra izao. Tantara tena kanto tokoa sy natao ho an’ny rehetra, mitantara lalam-piainana tanora telo mianadahy tafaroboka tao anatin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fivarotan-tena. Nisokatra nanomboka omaly, […]

Mifarana anio ny « Herinandron’ny kabary » : «Tratra ny tanjona», hoy Randimbiarison Herizo

Faranana anio, ny « Heri­nandron’ny kabary » na ilay hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) hoenti-mampivondrona sy manatevim-pahalalana. « Na teo aza ny fiatrehan’ny rehetra ny andavanandrom-piainany. Ho an’ity andiany faha-18 notanterahina teo anivon’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo ity, tratra ny tanjona. Nizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaminana napetraka », hoy ny filoha […]