Mois : août 2024

Fifampitifirana mahery vaika: zandary naratra, dahalo iray maty

Lasibatry ny asan-dahalo tato ho ato ny mpitandro filaminana mihatrana an-kianja. Naratra mafy voan’ny tifitry ny olon-dratsy ny zandary iray tao amin’ny distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naratra voatifitry ny da­halo nandritra ny fifandonana ny zandary GC1 iray tao Ambalihabe, fokontany Androtra, kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Nanao fanarahan-dia ny dahalo ikoizana, […]