Mois : août 2024

Fampandrosoana eny ifotony: hofanina ireo mpitantana ny kaominina

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny Paikady fampandrosoana eny ifotony anivon’ny kaominina, izay tafiditra anatin’ny fanohanana sy famatsiam-bola ataon’ny va­hoaka amerikanina, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). Ny Pnud eto Madagasikara no manatanteraka izany amin’ny tetikasa Rindra hifarana amin’ny taona 2026. Faritra dimy no hiasany, amin’ny kaominina miisa 100, […]

INDRAY MIJERY

Ny taona 2018 sy 2020 no tena nahitana fahamaizana ala be indrindra teto Madagasikara, nahatratra 107 000 ha.Vinavinaina tsy ho lavitra io tarehimarika io ny mety hisy eto amintsika amin’ity taona ity, raha tsy misy ny fitandremana sy ny fepetra mifanaraka amin’zay. Manodidina ny 450 tapitrisa dolara isan-taona ny tomban’ny […]

Toetr’andro miovaova : mahazo vahana ny gripa mahery

Efa miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Na izany aza, mbola mifandimby hatrany ny hatsiaka sy ny hafanana, raha ny zava-misy. “Miteraka aretina eo amin’ny vatan’ny olombelona, indrindra ho an’ny marefo izany zava-misy izany”, hoy ny Dr Rakotonindrainy Norbert, mpitsabo etsy 67 ha. Anisan’ny tena mirongatra […]

Fanampiana ny maha olona: tanjona ny hamonjy sy hiaro aina mandritra ny hamehana

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanampiana ny maha olona ny 19 aogositra, hanomezan-danja ireo mpisehatra eny ifotony mitondra izany fanampiana izany ho an’ny vondron’olona marefo rehefa ao anatin’ny hamehana. Firenena fahafolo maneran-tany misedra ny vokatry ny rivodoza, isan-taona, i Madagasikara ary voalohany aty Afrika. Manana rafitra napetraka ny fanjakana eto Madagasikara […]

VAOVAO TAMBATRA

“Fest’Ampefiloha”. Ho fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Cité Ampefiloha. Haka endrika fampisehoana goavana ankalamanjana izy ity, eo anoloan’ny Super U, anio sy rahampitso. Mpanakanto maro no hifandimby an-tsehatra, ahitana an-dry Agrad, Malm, Stéphanie, Princio, Bolo, Raboussa, Njakatiana, Iraimbilanja, Gastà, Dom Rasolo, Sivy Mahasaky, Tsiakoraka, Psykopasy, jeneraly, Ckoji, Princy, sns. Feo Kanto, […]