Nodimandry ny alarobia 14 aogositra 2024, teo amin’ny faha-60 taonany Rakotomalala Jean Pierre Rampal, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rampal, amin’ny maha mpanakanto mpihira azy. Taona vitsivitsy lasa izay no nanomboka narary ny tenany. Tao anatin’ny roa volana kosa no niombo izany aretiny izany ka nitarika izao fahafatesany izao. […]
Mois : août 2024
« Festival Sôrogno 2024”: efa vonona handray ny andiany faha-25 Ambanja
“Ambanja rendez-vous”, hoy ny hiran’i Tianjama izay. Mpanakanto malaza maro no andrasana amin’ny “Festival Sôrogno” izay hotontosaina amin’io herinandro io. Misomebiseby. “Efa maresaka ao Ambanja amin’izao fotoana izao. Miandry fatratra ny “Festival Sôrogno” ny rehetra, satria fotoan-dehibe ny fankalazana ny andiany faha-25 amin’ity”, hoy ny nambaran’ny solontenan’ny komity mpikarakara, nandritra […]
« Atsika misôma vakansy »: hisy ny filalaovana katro sy fanorona
Anisan’ireo kilalao hita eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, anio, mandritra ny « Tontolo andro misôma », ao anatin’ny hetsika « Atsika misôma vakansy » ny katro sy fanorona. Hisy ny fampahafantarana sy ny fampianarana ary filalaovana ireto kilalaon-tsaina ireo mandritra izany. Ankoatra ny fampialana voly ao anatin’izao fialantsasatra izao, tanjona koa ny […]
« Tekken World Tour »: sambany nandray anjara ny Malagasy
Hetsika goavana maneran-tany ho an’ny tontolon’ny “jeux vidéos” ny “Tekken World Tour”. Sambany ny Malagasy no nandray anjara tamin’izany, tamin’ny alalan’ny « Moor1ng » (moraingy), andiany voalohany. Fifaninanana nampivondrona ireo mpilalao nasionaly io, izay notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Nahatratra 200 mahery ireo nandray anjara, ka anisan’izany […]
Kolontsaina mihidy: ilaina ny manangana sekoly maro
Mitady sehatra ivelarana kanefa ny atolotra « mantamanta ». Na ireo efa hay, nanjary niova endrika, satria, notampohina na nolaroina zavatra hafahafa. Saika tratran’io tranga io avokoa ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. … Fa maninona no tonga amin’ny seha-pamotehana fa tsy tafapaka any amin’ny seha-pamoronana ny Malagasy, raha eo […]




