Mois : août 2024

FANTINA sy FINTINA

Hodinihina amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Troïka. Ny filoha Rajoelina no ho filohan’ny Sadc amin’ny taona 2025, araka ny nambarany teny Anosy, afakomaly. Mio­mana handray ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana amin’izany i Madagasikara. Hisesisesy ny fivo­riana an-tampony hatao eto, ary maro ireo filoham- panjakana hanao fitsidiham-panjakana. Notendren’ny […]

Razakamanantsoa Gaby Nestor : “Tsy fampitahorana ny vahoaka ny Bianco”

Tontosa ny alarobia 14 aogositra 2024 ny lanonam-pitsarana, fianianan’ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) vaovao, Razakama­nantsoa Gaby Nestor. Teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy no nanatanterahana izany. Manampahefana maro sy tomponandraiki-panjakana samihafa isan’ambaratonga no tonga nanome voninahitra teny an-toerana. Anisan’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Taorian’izay, nisy […]

Tic …Tac…

Mazava iny ny resaka avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Efa andro vitsivitsy sisa andrasana amin’ny famoahana an’ilay governe…manta tsy mety masaka. Mba tsy ho manta mohaka rahateo, naka fotoana maharitraritra mihitsy ny mpiketrika nandrosoana ny afo. Efa eo am-piandrasana ny vary ho manitra ny olon-drehetra. Sasa-miadry ny mpandoatra sy ny handoarana. […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitsambikina avy eny ambony pylone, teny amin’ny kaominina Ala­kamisy Fenoarivo, afakomaly. Nanao fanahiniana namono tena izy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Niezaka novonjena teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Notanana vonjimaika any am-ponja ilay miaramila voarohirohy ho nanolan-jazavavy 12 taona tao Arivonimamo, afakomaly. […]

Zava-mahadomelina : telo lahy nahatrarana rongony roa gony

Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny telo lahy nitondra rongony roa gony tao amin’ny fokontany Tsimavaokely, kaominina Morondava, ny 13 aogositra teo. Nentina tao anatina Tuc tuc, nosakanan’ny polisy ny lehilahy iray niaraka tamin’ny mpamily. Nahitana gony miisa roa tao anatin’io fitaovam-pitaterana io. Nitsoaka avy hatrany anefa […]