Tsy niandry ela fa taorian’ny haintrano niseho teny Andavamamba-Anatihazo II, ny faran’ny herinandro teo, efa tonga teny amin’ilay toerana nisy ireo trano may ny ekipan’ny BNGRC, notarihin’ny Tale jeneraliny, Elack Olivier Andriakaja, nijery ifotony ny fahavoazana sady nitondra fanampiana vonjy ranovaky ho azy ireo. Vary, menaka,voamaina, lamba firakotra sy fitafy […]
Mois : août 2024
CHU HJRA : fanamby ny fanasarahana ireo kambana miraikitra
Dingana lehibe, fanamby, teo amin’ireo Malagasy dokotera manam-pahaizana ny fandresena tamin’ny fandidiana natao tamin’ ireo zaza kambana niraikitra, Tahinjanahary sy Fanambinantsoa. Dokotera manam-pahaizana manokana miisa 22 mianadahy no nifarimbona tamin’ny fandidiana ireo kambana niraikitra, ny herinandro teo, tao amin’ny CHU HJRA. Nanano sarotra ny fandidiana satria ny fanasarahana ny hazondamosina […]
Tao anatin’ny fito volana: miisa 126 422 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara
Miha mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona, mahatratra 126 422 ny mpizahatany tonga teto, araka ny antotanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Niakatra ny isa raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 111 105, saingy mbola samy ambany raha oharina ny tamin’ny […]
Tetikasa Papriz : tratra ny tanjona nandritra ny taona 2024
Tratra ny tanjona ho an’ny famokaram-barin’ny tetikasa Papriz manerana ireo faritra 23 iasany. Nisy ny atrikasa natao teny Ivandry niarahana tamin’ ireo mpandrindra isam-paritry ny tetikasa sy ireo talem-paritra 23 manerana ny Nosy. Nanao jery todika ny asa vita nandritra ny taona 2024 ireo mpandray anjara sady namolavola fomba fiasa […]
Robotikoo Girls: misokatra ny fandraisana ekipa
Misokatra ho an’ireo ankizivavy 11-13 taona ny fandraisana anjara ho mpikambana handrafitra ny ekipam-pirenena Robotikoo Girls, amin’ny fifaninana Starship Girls’ Firefighting. Hetsika atao mandritra ny Festival international robotex any Tallinn Estonia, ny 6-7 desambra 2024. Fifaninanana mandrisika ny fahaiza-manao mahomby amin’ny fampiasana robot ny Starship Girls’ Firefighting. Sivana apetraka ny fahaizana […]




