Handray anjara amin’ny fihaonana antampony momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy Afrika (Focac) atao any Beijing, ny 4-6 septambra, i Madagasikara. Lohahevitra ny hoe « Miara-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fanavaozana sy fananganana vondrona Chine-Afrika avo lenta ho an’ny hoavy iombonana ». Laharaham-pahamehan’ny fanjakana ny “Medium Ring Tana”. Tetikasa hananganana zotra fitaterana […]
Mois : août 2024
Fifanakalozana ara-barotra: hitohy 10 taona manaraka ny Agoa
Tsara ny vokatra. Resy lahatra ny hanohizana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra African Growth and Opportunity Act (Agoa) ny kongresy amerikana, nandritra ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington DC. Andrasana ny fotoana hanavaozana ny lalàna amerikana momba ny fifanakalozam-barotra ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra, amin’ity taona ity. […]
Tsena iraisam-pirenena: hanondrana vary isika amin’ ny taona 2027
Mikasa hanondrana vary mainty sy mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara manomboka ny taona 2027 rehefa tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny fampiroboroboana ny vary, SNDR3, ny tetikasa fanondranam-bary ataon’i Madagasikara ny taona 2027 raha vao tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Maharitra taona maro ny fanomanana ny […]
INDRAY MIJERY
Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]
Fihaonambe kongresy Eokaristika nasionaly : miara-miasa ny mpikarakara sy ny fanjakana
Hotanterahina any Antsiranana, ny 20 – 25 aogositra 2024 izao, ny fihaonamben’ny kongresy Eokaristika nasionaly sy ny Afafi-Fet. Ho avy hanatrika izany ireo tanora maherin’ny 15 000, avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy. Efa milamina hatrany amin’ny 95% ny fiomanana sy fandraisana ireo mpizaika rehetra any an-toerana, amin’izao fotoana izao, […]




