Tokony haharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha Rajoelina Andry ireo tomponandraikitra, araka ny nambaran’ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery tetsy Mahamasina, afakomaly. “Mila miezaka mafy isika amin’izany mba hanatanterahana ny vina napetrany”, hoy izy tamin’ny fizarana “Tsimbina”. Nitohy indray ny hetsiky ny vehivavy MMM. Nivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ilaina amin’izao fampidirana mpianatra izao […]
Mois : août 2024
Tan-dalàna… tsara tantana
Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy vitan’izany, atao ho anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly… Mby aiza? Matoa atrehina manokana izany, tsy mbola tonga amin’izay iheverana azy. Na tsy mbola mety kolontsaina mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna. Misy hatrany […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : hanomboka ny 5 septambra ny fametrahana firotsahan-kofidina
Efa nivoaka ny tetiandro sy ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina ho an’ireo hirotsa-kofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, hotanterahina ny 11 desambra izao. Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny 9 aogositra teo izany. Hanomboka ny alakamisy 5 ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpirotsaka […]
TSELATRA
Olona 27 tra-boina vokatry ny haintrano tao Ambatomasina, kaominina Ambatomanga, ny sabotsy 10 aogositra teo. Trano miisa fito azon’ny afo. Nifamonjy nifehy io firehetana io ny fokonolona. Tsy nisy noraisina avokoa ny entana tao anatin’ireo trano lasibatra. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny fiaran’ny mpanakanto Big Mj tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisy […]
Fianarantsoa : mpamaky trano telo voasambotra
Saron’ny polisy ireo telo mianadahy tompon’antoka tamin’ny famakian-trano tao Fianarantsoa Renivohitra, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena ao amin’ny DRSP Haute Matsiatra fa niharan’ny vaky trano ny tokantrano iray anatin’io kaominina io. Naharay loharanom-baovao momba ireo nahavanon-doza izy ireo, taorian’io ka nidina ifotony. Olona telo nahatrarana entana halatra. Vehivavy ny iray […]




