Mois : août 2024

« Iray volan’ny Varatava » : miditra amin’ny andiany fahenina ny hetsika

Taorian’ny iray volan’ny hosodoko, miditra amin’ny iray volan’ny varatava indray ny fianakaviamben’ny mpankafy sary. Misokatra ary natao ho an’ny rehetra izany. Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivon-toeran’ny Kolon­tsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny «Iray Volan’ny Varatava». Hetsika karakarain’ny fikambanana Varatava, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera […]

Foulpointe : mamotika ny tontolon’ny ranomasina sy an-tanety ny fitrandrahana algue

Betsaka ny tsindry mahazo ny tontolo iainana an-dranomasina sy an-ta­nety any Foul­pointe, raha ny za­va-misy. Samy mi­zaka an’izany avokoa ny an-dranomasina na ety an-tanety na eny am­bohitra. Voalohany, anisan’ny zavamaniry iray anaty ranomasina ny “algue” na ahi-dranomasina. Efa manomboka be mpitrandraka izany ankehitriny raha ny zava-misy any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ireo rehetra mpikatroka sy mpanohana ny antoko Tim ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nivoitra tao amin’ny Facebook, omaly, fa hanao fanambarana lehibe, manoloana ny raharaham-pirenena ny tenany, anio maraina etsy amin’ny foiben’ny antoko, etsy Bel Air. Manatrika ny fivorian’ny parlemantera amin’ny faritra Atsimon’i Afrika any Namibia ireo depiote. […]

Vahoaka miray: “Tsy tokony hahazo hirotsa-kofidina ny mahaleo tena”

“Aminay, tsy tokony hahazo hirotsa-kofidina izany mahaleo tena izany. Raha afa-mirotsa-kofidina ny mahaleo tena, tsy misy antony anaovana antoko politika”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), eo anivon’ny RMDM, Rakotondra­za­na­ny Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana kaominaly. Ny lalàm-pifidianana tsy […]

Tena mafy ny ady !

  Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy maha­sakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]