Mois : août 2024

Fanatanjahantena : nihaona ny minisitra sy ny federasiona

Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, tamin’ireo filohana federasiona, omaly. Nifankafantatra sy nifampihaino izy ireo nandritra izany. Nisy ihany koa ny fangatahana nataon’ireo federasiona mba hijerena akaiky sy hanohanana azy ireo, amin’ny fifaninanana rehetra karakaraina sy handraisan’izy ireo anjara, na ny eto an-toerana izany, […]

Beach Soccer sy Futsal : hodinihin’ny Federasiona ny hanaovana ny fifanintsanana

Tokony ho efa nandeha ny fifaninanam-pirenena taranja Beach Soccer sy Futsal. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitry ny baolina kitra. Noho izany, hisy ny fivoriana ataon’izy ireo. Somary nangina tanteraka ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra ambony torapasika, “Beach Soccer” sy ny baolina anaty efitrano, “Futsal”. Nilaza […]

UDR : Mijoro amin’ny fampandrosoana

Tsy misy fampandrosoana miroso raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny antoko iray miara-miasa amin’ny fanjakana ny antoko Union des Ré­publicains (UDR) izay tarihin’i Fitiavanjanahary Stéphane Kennedy. “Rehefa misy fitondram-panjakana mijoro eo ka manana foto-kevitra hampandrosoana ny firenena dia mi­sokatra amin’ny fiaraha-miasa izahay”, hoy izy. « Ilaina sy zava-dehibe […]

Atletisma-« Mada 2024 » : voalohany ny ligin’Analamanga

Nanjakan’ny faritra Ana­lamanga tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja atletisma, sokajy zandriny, taom-pilalaovan 2024, izay nifarana afakomaly, teny amin’ny Kianjan’ Alarobia. Araka ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), medaly volamena 32 no azo­ny. Mitana ny laharana faharoa kosa ny atletan’Atsinana­na, izay nahazo volamena 19, raha toa […]

Isandra : hijery ny sosialy ny depiote Raoto

Tontosa ny faran’ny herinadro teo, teo amin’ny kaominina Anjomanitsara, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny depioten’ny distrikan’Isandra, Raoto Ralambozafy. Namba­rany fa hifototra amin’ny andry dimy ny fampandrosoana any an-toerana: ny fampianarana, ny fandrimpahalemana, ny fa­hasalamana sy ny fambolena ary ny fiompiana. “Faritra mena ny aty Isandra teo aloha fa efa fongotra ny […]