Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola Ligue des Champions”, D2 nasionaly. Nisongadina tanteraka tamin’ity andro voalohany ity ny ekipan’ny FC Theo Sava sy ny Jet Kintana Itasy. Araka ny vaovao voaray, lavon’ny FC Theo, tamin’ny isa […]
Mois : août 2024
Lalam-pirenena : efa vonona ny famatsiam-bola
Vita, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny minisitra vaovao, Rafidison Richard Théodore. Ho an’ity farany, laharam-pahamehana ny hampihodinana ny toekarena, ka asa maika hatao ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN7 ary RN4. « Efa eo am-pelantanana ny famatsiam-bola […]
ESD Nanisana : manan-danja ny lalàna sy ny siansa politika
Mivoatra ny fianarana amin’ny tontolo politika sy ny fitsarana ao amin’ny sekoly ESD Nanisana. Mifantoka amin’ny lalàna sy ny siansa politika ny fampianarana. Tsy ampy ny isan’ny olona misehatra amin’ny lalàna eto Madagasikara, raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Izany no mahatonga ny sekoly ambony momba ny Lalàna sy ny Siansa […]
Ambatovy: Nampiaka-peo ny Fisemare amin’ ny fampiatoana asa
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fisakafoana iray, any Morafeno ireo mpitarika ny vondron’ny mpiasa eo anivon’ny sendikan’ny Fisemare. Nitarika izany ny sekretera jeneraly nasionaly avy eto Antananarivo, Mananandro, sy ny sekretera jeneraly ao anivon’ny faritra Antsinanana, Dany. Anton’ny fihaonana ny nampiatoana ny asa famokarana sy ny […]
Bakalorea – Antananarivo: 54,88% ny taham-pahafahana ho an’Antananarivo
Nivoaka omaly ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’Antananarivo. Tsy mifanalavitra loatra tamin’ny taham-pahafahana ny taon-dasa ny vokatra, satria mahatratra 54,88% ho an’ity taona ity. Ho an’ny sokajy Ose no manana taham-pahafahana ambony indrindra, ho an’ny fampianarana ankapobeny, 68,37%, ary ny sokajy A1 no ambany indrindra, 45,90%. Ho an’ny sokajy L: […]




