Mois : août 2024

Faritra atsimo Andrefana: Miasa ny 47,5%amin’ ireo famatsian-drano

47,5% amin’ireo famatsian-drano teo aloha, eo anivon’ny faritra Atsimo Andrefana, no mbola miasa, raha ny tatitra navoakan’ny teo anivon’ny Unicef. Voakasik’izany ireo distrika efatra, Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana. Nahitana vovon-drano 446 ao Ampanihy, 226 ao Betioky, efatra ao Akazoabo ary iray ny ao Beroroha. Nanaovana fitsirihana manokana […]

Fandriampahalemana : mpisehatra fototra ny tanora

Nanamarika ny fivoriana iraisam-pirenen’ny skotisma, atao any Le Caire, ny nanoloran’ny Federasion’ny skotisma eto Madagasikara vahaolana hanohanana ny fandraisana anjaran’ny skoto amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Hifototra manokana amin’ny tanora izany. Nanohana an’i Madaga­si­kara i Sénégal ary nahazo ny fankatoavan’ny mpivory rehetra ny tolo-kevitra naroso. Voalohany tao anatin’ny 100 taona izany […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fiofanana mpanamora ny tari-dalana. Ho fampandraisana anjara ny ankizy sy ny tanora amin’ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny Dren Atsimo Andrefana, tanterahina ao amin’ny EPP Centre,Toliara I, nandritra ity herinandro ity, no natao. Mpampianatra avy amin’ny EPP sy CEG miisa 80, avy amin’ny sekoly 20, avy ao amin’ny Cisco […]

Minisitry ny Mponina: Hijery manokana ireo olona marefo sy ny zokiolona eto amin’ny firenena

Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra mpisolo toerana sy ny minisitra vaovao. Laharam-pahamehan’ny minisitra vaovao ny hijereny manokana ny olona marefo sy ny zokiolona. Nanatanteraka fifamindram-pahefana sy fitantanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sy ny minisitra vaovao, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. […]