Mitohy hatrany. Mendrika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra ny hetsika tanterahin’ny vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM). Anisan’ny nisitraka izany ireo ray aman-dreny sy mpianatra eny anivon’ny kaominina Ambohimanambola sy ny manodidina, omaly. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana ny fikambanana fa hetsika fanao isan-taona ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary tahaka izao. Tanterahina amin’ny alalan’ny […]
Mois : août 2024
Filoha Rajoelina Andry : nanatrika ny Kongresy Eokaristika Nasionaly
Notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja manara-penitra Antsiranana, « Kianjasoa», ny lanonana sy sorona masina lehibe fanokafana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly – KEN. Anisany niatrika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny. Mpino katolika maro be, niaraka tamin’ireo eveka maro, pretra ary relijiozy no niatrika izany. Hijoroana vavolombelon’ny fitiavana tsy […]
Misikim-ponitra
Notanterahina androany avokoa ny ankabeazan’ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo minisitra vaovao. Porofo izany fa miasa avy hatrany izy ireo. Manafaingana fomba fiasa ahazoana vokatra araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Andry ny ho avy politikan-dRajoelina izany. Ny ekipany no miantoka ny hanohizany ny dia aorian’izao taom-piasana farany izao. Asa […]
Firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna: tsy maintsy manana solontena (mandataire) ny kandidà
Nampahatsiahy ireo fepetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Maromaro izany, araka ny voalazan’ny lalàna. Anisan’ireo fepetra takin’ny didy aman-dalàna amin’ireo hilatsaka hofidina amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny tsy maintsy hananany solontena nomem-pahefana na ilay antsoina hoe “Mandataire”. “Tafiditra ao anatin’izany […]
TSELATRA
Samy efa mpamerin-keloka avokoa ireo jiolahy roa voasambotry ny zandary teny Ambatomaro, afakomaly. Avy namaky trano izy roa no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary. Teny an-dalana handeha hivarotra ireo entana halatra ry zalahy no tratra. Barre à pince, pince coupante, poste soudure no tratra teny amin’izy ireo. Efa nigadra tany Mananjary […]




