Hotanterahina anio, etsy amin’ny foibe CFFamma Nanisana, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny lalao andrana, « Kyorougui », ho an’ireo mpikatroka taekwondo 46 mianadahy, (23 lehilahy sy 23 vehivavy), sokajy Junior. Atleta nipoitra tamin’ny herinandro voalohan’ny fifantenana ny ekipam-pirenena no manao ity fihaonana ity. Amin’ity herinandro faharoa ity, nilaza ny Tale teknika […]
Mois : août 2024
MJS: Minisitra i Abdulah Marson Moustapha
Anisan’ny nahazo minisitra vaovao ny eo anivon’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, taorian’ny fanendrena izay handrafitra ny governemanta vaovao, omaly, teny Iavoloha. Voatendry hisahana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdoulah Marson Moustapha. Tsy dia vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ary fantatra fa mitana andraikitra eo anivon’ny Kaonfederasion afrikaninin’ny […]
Ligue des Champions-Caf : ho fantatra anio ny hoavin’ny Disciples FC
Efa any Afrika Atsimo ny ekipan’ny Disciples FC. Vonona tanteraka hiatrika ny lalao izay hihaonana amin’ny Orlando Pirates, tompon-tanàna, izy ireo androany. Tanjony ny hanoratra tantara eto Afrika. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Orlando Stadium Afrika Atsimo, ny fifanandrinana miverina, izay hihaonan’ny Disciples Fc Madagascar sy ny Orlando Pirates Afrika […]
VAOVAO TAMBATRA
Anisan’ny voatazona ho minisitra, hitantana ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ho an’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Ho an’ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier. Ho an’ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahantante Paubert. Ho an’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena […]
GEM: mandrisika ny fiaraha-miasa anatiny
“Sehatra telo goavana azo hampiasam-bola eto Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fandraharahana eo amin’ny fambolena”, hoy ny filohan’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), Rabarijohn Francis, nandritra ny fihaonany tamin’ireo delegasionina avy amin’ny Japan External Trade Organization (Jetro), ny herinandro teo. Zava-dehibe, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ireo […]




