Natao afakomaly, tetsy amin’ny Boriborintany faha-5, ny fizarana ny andiany faharoa amin’ny vatsy Tsimbina tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Ireo tokantrano nisitraka ny andiany voalohany tetsy Mahamasina nandritra ny fanokafana ny fizarana niarahana tamin’ny filoham-pirenena ireto nahazo ny andiany faharoa ireto. Mahatratra 2 100 izy ireo no nahafeno ny fepetra ka nizarana 150 000 Ar isan-tokantrano.
Taorian’ny nahazoana ny andiany voalohany tamin’ity Tsimbina ity dia nisy ny fanaraha-maso teny anivon’ny tokantrano, nijerena fa tena tafiditra an-tsekoly tokoa ny ankizy, anisan’ny fepetra napetraka.
Tokony hanao ezaka ihany koa amin’ny fampidiram-bola maharitra araka ny loharanom-bola an-tanana. Raha mivarotra isan’andro ka mitrosa ny maraina ary manatitra ny volan’ireo entana lafo ny hariva. Tokony ahodina ny renivola azo fa ny tombom-barotra ihany no ampiasaina amin’ny andavanandro. Nisy ny tantsoroka avy amin’ny teknisianina amin’ny fahaiza-mitantana hahafahana manana fidiram-bola maharitra.
Tatiana A




