Akany Manjary Soa : ankizy 15 nahavita fiofanana momba ny zaitra

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, ny lanonana famoa­hana ireo ankizy nobeazina sy nofanina tao amin’ny foibe Manjary Soa. Akany fitaizana ireo zaza sahirana eto amin’ny faritra manodidina ny minisi­tera foibe 67Ha izy ity. Nitarika ny lanonana ny minisitra Raza­kaboana Hanitra Fitiavana, ireo tomponandraikitra am­bony, ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera ary ny mpanabe ao amin’ny Akany.
Notolorana mari-pahai­zana ireo ankizy miisa 15 niofana tamin’ny fanaovana zaitra ary notolorana fitaovam-pianarana ihany koa ireo ankizy miisa 20 alefa hianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana. Nomarihin’ny minisitra mpiahy fa anatin’ny vaindohan-draharahan’ny minisitera ny hanangana foibe Manjary Soa eny anivon’ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy ka hatomboka amin’ireo renivohi-paritany dimy izany.
Tamin’ity hetsika ity, niara-nisalahy tamin’ny minisite­ran’ ny Asa, ny fampananana asa ny Fondation Axian izay nanolotra fitaovam-pianarana sy fanohanana ara-tsakafo ho an’ ny ankizy ao amin’ny io akany io, mandritra ny taom-pianarana 2024-2025. Tanjona amin’ ny tetikasa ho an’ny roa tonta ny hanafoanana ny fampia­sana ankizy eto Madaga­sikara, miaraka amin’ny fitalea­vana momba ny fampivoarana ny zo fototra ho an’ny asa.

Vonjy

Partager sur: