Fisemare : « Tsy voahaja ny zo aman-kasin’ny mpiasa malagasy ankehitriny»

Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy ny tsy fisitrahana ny zony amin’ny maha mpiasa azy eo anivon’ny orinasa, raha ny zava-misy. Maro izy ireny no mitaraina eny anivon’ ny sendikaly sa­mihafa eto amin’ ny Nosy.

«Rehefa tonga eto Madagasikara ny orinasa iray dia lasa tsy manaja intsony ny zo aman-kasin’ny maha olon’ny mpiasa malagasy», hoy ny sekretera jeneralin’ny sendika Fisemare, Mananandro jean Raphaël, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Anjana­hary, ny zoma teo. Tsy voahaja intsony ny zon’ny mpiasa malagasy eto Madagasikara, raha ny fitarainana voarain’ny sendikan’ny mpiasa Fisema­re. Fitarainana roa samy hafa ataon’ny orinasa vahiny eto Madagasikara no voarain’izy ireo tamin’iny herinandro lasa iny. Anisan’izany ny tsy fandoavan’ny orinasa ny IRSA sy ny latsakemboky ny mpiasa eny anivon’ny Cnaps… Eo koa ny fandroahana mpiasa amin’ny tsy ara-drariny. Toy ny antony ara-pahasalamana sy ny olana hafa, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Niharan’izany, ny vehivavy iray nitana andraikitra ambony teo anivon’ny orinasa iray etsy Andraharo, raha ny fitantarana nataony ny zoma lasa teo. Nambarany fa tsy nisitraka ny zony feno izy nandritra ny efa-taona sy tapany niasany teo amin’io orinasa iray io. Tsy nisy ny fifanarahana arakasa, tsy nisitraka Cnaps sy Ostie ary tsy nisy filazana ny fandoavana IRSA. Efa nisy fangatahana nataony mba hisitrahany ireo zony ireo teo anivon’ity orinasa ity fa tsy nahazo valiny mihitsy. “Herintaona taty aoriana, nampanantsoina aho ary nohidiana tao amin’ny efitrano iray sy noterena nanao taratasy famindram-pitantantanana avy hatrany”, hoy izy nitantara. Efa nentina teny anivon’ny Sampan­draha­raha mpanara-maso ny zon’ny mpiasa ny raharaha taorian’ izay. Tsy nahitam-bokany nefa ny ezaka natao rehetra tamin’izany. Mangataka ny fitondrana mahefa izy mba hijery ny zava-misy tahaka izao. Mitaky ny hanomezana ny zo amin’ny maha mpiasa azy teo anivon’ny orinasa rehetra izy. «Endrika fanitsakitsahana ny zon’ny mpiasa sy ny maha olona azy mihitsy izany zava-misy izany», hoy hatrany ny sendika Fisemare.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray teo anivon’ny orinasa Ambatovy no natsahatra tamin’ny asany noho ny tsy fahasalamana nahazo azy, tamin’ny volana aogositra teo. Nalefan’ny orinasa teny ani­von’ny banky iray ny vola fanonerana, izay mitentina 9 tapitrisa Ariary. Hatramin’izao nefa, tsy nomen’io banky io ny vola fa notazomin’izy ireo. “Efa nisy taratatasy nataon’ity mpiasa ity taorian’izany fa tsy nahitam-bokany hatrany”, hoy ny fitarainany. Mangataka ny hanefan’io banky io ny vola, araka izany, ny sendika Fise­mare sy io mpiasa nesorina io.

Misy dingana arahina ny fandroahana mpiasa
Nambaran’ny sendikan’ny mpiasa Fisemare fa misy dingana tsy maintsy arahina, izany hoe, misy antony mazava sy mitombina ary manaraka ny lamina ao anatin’ny orinasa ny fandroahana mpiasa iray. Miantso ny tomponandraikitra handray anjara ma­hakasika sy manoloana izany toe-java-misy izany izy ireo. Anisan’ny fepetra apetraky ny orinasa amin’ny olona hiditra hiasa ao aminy ny fanokafana kaonty amin’ny banky ho an’ ireo izay tsy manana. Tsy maintsy alefa any avokoa ny karaman’ny mpiasa. “Ny 30% amin’ny karaman’ny mpiasa ihany no azon’ny banky alaina sy kitihina rehefa nindram-bola tao aminy ny mpiasa iray”, araka ny fanazavana nataon’ny SG ny sendika Fisemare hatrany. Tsy main­tsy anontaniana avokoa ny vola mivoaka rehetra eo anivon’ny tokantrano sy eo amin’ilay mpiasa hindram-bola, mba hikajiana sy ahafahan’ny olona mivelona araka ny tokony ho izy. Amin’ny ankapobeny, maro ireo banky tsy manaja izany. “Lasa miteraka fanakorontanana eo amin’ny mpiara-belona sy ny mpiasa ny tsy fanajana izany”, hoy hatrany izy. Nangataka izy ireo ny tokony hanarahan’ny rehetra ny lalàna misy eto amin’ny firenena sy ny eny amin’ny sehatry ny asa.

Maro ny orinasa tsy mandrotsaka ny IRSA

Ankehitriny, mbola maro ny orinasa tsy mandefa sy tsy mandoa izany eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra, raha ny fitarainana voarain’izy ireo hatrany. «Tsy ny fampiakarana ny IRSA no laharam-pahamehana fa ny fomba handoavan’ny orinasa rehetra izany any amin’ny sampandraharahan’ny hetra», hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny Fisemare, Mananandro Jean Raphaël. Taloha, natanjaka be ny mahakasika ny hetra alaina amin’ny karaman’ny mpiasa (IRSA). Nisy fikasana hampiakatra izany ho lasa 25 %. Mandoa hetra amin’ny fanjakana avokoa ny mpiasa rehetra na vahiny na Malagasy, na mpiasam-panjakana na tsy miankina. Alaina amin’ny alalan’ny karamany isam-bolana izany. Ny mpampiasa no manefa sy mandoa izany eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra. Araka ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny taona 2021, lah-2020-013, ao amin’ny andininy 01.03.16. Tsy hakana hetra ny ampahan-karama latsaky ny 350 000 Ariary eto amin’ny Nosy. Andoavanna 5% ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin’ ny 400 000 Ariary. 10% ho an’ny ampahan-karama 400 001 hatramin’ny 500 000 Ariary. Hakana 15% ny ampahan-karama 500 001 hatramin’ny 600 000 Ariary. 20% kosa ny ampahan-karama mihoatra ny 600 000 Ariary. Nakarina ho 3000 Ariary ny hetra farany ambany tsy maintsy alaina amin’ny karaman’ny mpiasa, raha 2000 Ariary izany tamin’ny taona 2021, araka ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny taona 2022, lah- 2021-027 ao amin’ny andininy 01.03.16.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: