INDRAY MIJERY

Ny « relevée des notes” sy ny diplaoma amin’ ny bakalorea dia saro-pady ka ilana fitandremana tsy ho very. Ny dika mitovy voamarina no ampiasaina amin’ny antontan-taratasy rehetra fa tsy ny “original”. 40 000 Ar ny sorabola aloa any amin’ny banky, rehefa mahazo ilay “reçu de versement” avy any vao entina ao amin’ny Ofisin’ny bakalorea ao Kakal Mahajanga, hoy ny tomponandraikitry onivesiten’i Mahajanga.

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23. Mano­loana ireo fangatahan’izy ireo, nanambara ny minisitra fa hijery tsirairay ny olana ary hamaha izany manaraka ny laharam-pahamehana.

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny ivontoeram-pampiofanana tao Mahajanga
ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ecole des métiers du tourisme-hôtellerie (EMTH). Nisongadina tamin’izany ny torolalana hampiakarana ny lentan’ny fampianarana. Nandritra ny fotoana no nahafahan’ny mpiofana ao amin’ny EMTH nampiranty ny fahaiza-manaon’ny sekoly eo amin’ny lafiny nahandro.

Mbola mitoetra ny toetry ny andro somary mafampana, indrindra fa ho an’ny tapany atsimon’ny afovoantany manokana, ho an’ny roa andro manaraka. Entanina koa ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka, eo anelanelan’i Besalampy sy Cap Sainte-Marie mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony fa hahery ny ranomasina.

Partager sur: