Fahasalaman’ny reny sy ny zaza: nanolotra fiara miisa 11 ny Unicef

Natolotra teny amin’ny CHU HJRA, tamin’ity herinandro ity, ny fiara tsy mataho-dalana miisa 11, hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana avy amin’ny Unicef. «Ham­piasain’ny sampandraharaha misahana ny vaksiny, fahasalaman’ny fianakaviana ary ho an’ny faritra Ihorombe, Atsimo Andrefana, Fitovinay, Diana, Androy ary Analanjirofo ireto fiara vaovao ireto», hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes. Mitentina 278,361 dolara ny fitaovana, hanohizana ny fanohanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Manao tantsoroka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Unicef, ahafa­han’ny ankizy rehetra mahazo tolotra fitsaboana, fanjarian-tsakafo, vaksiny, hiantoka ny fahasalamany. Eto Madaga­sikara, araka ny fanadihadiana EDS 2021, mahatratra 47 amin’ny fahaterahana velona 1 000 ny zaza mamoy ny ainy mialoha ny faha-herintaonany. Ahafaha­na misoroka ny fahafatesana ny fanaovam-baksiny maimaimpoana (vokatry ny famatsiam-bolan’ny Gavi) sy ny fizarana singa mpamelona ho an’ny ankizy vao teraka hatramin’ny faharoa taonany.
«Ahafahan’ny tomponandraikitra samihafa midina ifotony ny fisian’ireto fiara vaovao ireto, mba hanaraha-maso ny fahasalaman’ny vahoaka», hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo.

Vonjy

Partager sur: