Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny masoivohon’i Corée, Park Ji Hyun. Nanamafy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny sehatry ny fampianarana ambony ny dinika. Nampahatsiahy ny vatsim-pianarana hahafahan’ny mpianatra manohy fianarana any Corée ihany koa ity ambasadaoro ity.
Nahatohina ireo ray aman-dreny maro ny fisian’ilay trano sekoly nirodana ka nandratra ankizy tetsy Ambohidroa Ambodimita, tamin’ity herinandro ity. Niteraka tahotra sy horohoro izany ka nahatonga ny ray aman-dreny naka toky tamin’ireo sekoly nianaran-janany ary nijery akaiky ny fotodrafitrasa.
Nahavariana ny olona nandalo teny Behoririka ny fahalalahan’ny lalana, izay nahafahan’ny fifamoivoizana nandeha tsara. Manadio ny kaominina ka miezaka mampiditra ireo mpivarotra rehetra anaty tsena. Manala tsikelikely ireo mpivarotra eny an’arabe. Hentitra ny fanaraha-maso sy fampanajana lalàna.




