Toamasina: mikatona amin’ny 10 ora alina ny toeram-pisotroana

Tsapa ho nihena ny tsy fandriampahalemana any Toamasina, tao anatin’ny 20 andro lasa izay. Taorian’ny fanapahan-kevitra tsy maintsy hanakatonana ny toeram-pisotroana sy fandihizana rehetra amin’ny folo ora alina, nanomboka tamin’ny 21 aogositra lasa teo. “Mbola ho tohizana hatrany ny fanakatonana ireny toerana ireny”, hoy i Benan­drasana Cyril, Prefen’i Toa­masina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, afakomaly. Nohamafisiny fa voakasik’izany avokoa na trano fisotroana eny an-dalana na amorom-pasika na hatrany amin’ny Miami, any an-toerana, aza. “Efa lalàna mipetraka sy voafaritra anatin’ny fahazahoan-dalana hanokatra Bar izany”, hoy hatrany izy.

Hosintonina ny taratasy fahazoan-dalana
Tratra mbola nisokatra ny trano fisotroana iray tany Ambohijafy Atsimo, nandritra ny fitsidihana tampoka nataon’ ny prefen’i Toamasina, ny alin’ ny alarobia teo. Tonga nanakatona izany avy hatrany ny polisy. Nisy miaramila komandà iray nisotro tao ka tsy namela ny fanakatonana io toerana io tamin’izany, raha ny fanazavana. “Hosintonina avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalana ho an’izay trano fisotroana mbola tratra misokatra ary tsy afaka misokata mandritra ny telo volana”, hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, mbola miandry ny vokatra mahakasika ireo jiolahy any Toamasina ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Nohamafisin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny hatrany fa somary misy ihany ny tandrevaka nahatafavoaka ny fonja ireo jiolahy.

Sajo

Partager sur: