Nidina mivantana teny amin’ny sekoly ambony polyteknika Vontovorona ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nankasitraka ireo mpianatra amin’ny finiavana hanatanteraka ireo tetikasa eny an-toerana ny minisitra. Misy ny fanorenana trano misy rihana iray, izay fotodrafitrasan’ny fanjakana, eo koa ny “Atelier LuBan” iaraha-miasa amin’ny governemanta sinoa. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria izany ho fanatanterahana ny andry fahatelon’ny fampandroana voizin’ny fanjakana.
Tetsy andaniny, nitondra fanampiana manoloana ny tetikasa izay karakarain’ireo mpianatra ihany koa ny minisitra. Tsy hadino ny trano fanaovam-printy na izay tetikasa lavitr’ezaka natsangan’ireo mpianatra noho ny fiaraha-mientan’izy ireo. Nanolotra fanampiana ho fandraisana anjara amin’izany ny fanjakana.
Nidera ny zava-bitan’ireo mpianatra ny minisitra amin’ny fandavantenan’izy ireo hamela fotodrafitrasa maharitra ho an’ny zandry sy ny taranaka. Fitaratra amin’ny fiaraha-mientana ahafahana mampandroso an’i Madagasikara izao ezaka izao.
Ilain’ny mpianatra ny fifampiresahana mivantana amin’ny tomponandraikitra ambony toy izao. Hery ho azy ireo ihany koa ny fampirisihana sy ny fankaherezana entin’ny ray aman-dreny. Fotoana nihainoana ny hetahetan’ny mpianatra sy ahitan’ny tomponandraikitra ny zava-misy marina iainan’izy ireo koa ny fidinana ifotony natao.
Tatiana A




