Hanao ahoana ihany ity hoe sosialim-bahoaka? Na ny fiainam-bahoaka, ny maha olona… Iray amin’ireo andry telo iankinan’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-pitondrana izao izany. Ho hita eo ny atao sy izay ho vita amin’ny fanamby sy fampanantenana. Tsy maintsy mandroso amin’ny fanatanterahana asa. Mbamin’ny hoe midina ifotony, mamaha olana, misy vokatra […]
Mois : septembre 2024
Fitsarana : hamoraina ny fahazoan’ny kandidà izay taratasy ilainy
Kandidà 9 manerana ny kaominina 1697 no efa nametraka taratasy filatsahan-kofidina hatreto, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Ceni. Anisan’ny miteraka resabe ny fahasarotan’ny fikarakarana sy ny fakana ny antotan-taratasy ilaina amin’izany eny anivon’ireo biraom-panjakana manome izany. Tena navahina ho an’ireo mpirotsa-kofidina: napetraka sy milaza manokana izy ireo hoe mangataka […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana, mpandeha, iray tao anaty taksiborosy mampitohy an’Antsohihy sy Antananarivo, maty tampoka azon’ny aretina, teny Ankazobe, ny 13 septambra teo. Nanainga tany Antsohihy ny 12 septambra tamin’ny 1 ora tolakandro io taksiborosy io. Lavon’ny zandary tao Ambatoharanana ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Betafo, afakomaly. Naharay fampahafantarana ny zandary […]
Kaominina Brieville: olona telo nalain’ny dahalo an-keriny
Miseholany ny trangana fakana an-keriny! Vehivavy roa sy lehilahy iray indray nalain’ny olon-dratsy takalonaina tao Babangy, fokontany Mamavo, kaominina ambanivohitra Brieville, distrika Tsaratanana, ny zoma 12 septambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ny jiolahy dimy nitondra Kalachnikov. Nanambana fitaovam-piadiana ny tompon-trano ny mpandroba, tamin’ny 9 ora alina. Nitaky […]
Lasa ny taolan-dava… : naparitak’ireo jiolahy ny razana tao am-pasana
Fahasahiana! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamina vaky fasana tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambodihasina, fokontany Ambahivahikely kaominina ambanivohitr’Anketrakabe, distrikan’Antsiranana II, ny sabotsy 14 septambre 2024 teo. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambahivahikely ny zandary momba ny fahavakisan’ny fasana iray ao amin’ny faritra iadidiany. Nidiran’olon-tsy […]




