Tontosa ny sabotsy 28 septambra 2024, teny amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy, ny fampisehoana «Metal Madness Legends». Fampisehoana nankafizana gadona metaly rano iray izy ity, niarahana tamin’ireo tarika mivoy izany gadona izay. Anisan’izany ny Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire. Fahombiazana no azo ilazana ity fampisehoana nokarakarain’ny Oz Rekordz ity. […]
Mois : septembre 2024
TARATRY ny KANTO
Lasan’i Faniry Fanomezantsoa ny laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana miantsa tononkalo, nokarakarain’ny Faribolana Sandratra, ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Teny amin’ny CGM Analakely, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana ny famaranana. Niisa 13 mianadahy izy ireo no nifaninana ary tena sahirana ny vondron’ny mpitsara noho ny fahaizan’ireo mpifaninana. Nisokatra […]
« Miss Madagascar »: Voahosotra i Cyria Olivine
Temagnombe Cyria Olivine, Miss Androy. Taorian’ny lanonam-pamaranana dia voahosotra hitondra ny anaram-boninahitra ho «Miss Madagascar» ity tovovavy ity. Tsy mora ny asan’ireo mpitsara, izay nisafidy tamin’izy 19 mirahavavy solontenan’ireo faritra manerana ny Nosy. Tsy mora ihany koa ny masontsivana nosedrain’ireo mpifaninana, indrindra nandritra ny famaranana tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, […]
Tarika AmbondronA : Avo dia avo ny lentan’ny seho !
Tsy nisy nahavita ny nataon-dry zalahy, hatreto ! Mitoetra ny lazany, mamaly fitia ireo mpankafy, mampiakatra ny lentan’ny fampisehoana hataony hatrany ry AmbondronA. Mipetraka ho tantara indray iny! Raha any amin’ny fanatanjahantena dia iny no zava-bita tsara indrindra mila montsanina, ho an’ireo hanao manaraka. Asa, mety ry AmbondronA ihany no […]
VAOVAO TAMBATRA
Nilanja 85 kilao ny trondro, tilapia sy karpa, azo tao amin’ny dobo anatin’ny toby miaramila Ensoa Antsirabe. Vokatra voalohany azo ny 27 septambra teo, tao amin’ireo dobo efatra natao ho fiompiana fitaratra. Miisa 2 800 ny zana-trondro narotsaka tao, nohatavezina nandritra ny 8 volana. Misy milanja 1,5 kg ny trondro […]




