Mois : septembre 2024

RN2 : nifampizarana ny asa fanamboarana

Anisan’ireo nanatrika ny fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra amin’ny fanamboarana ny lalana RN2, mifampitohy amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Mirefy 9 662 km izany lalana izany. Anisan’ny nitarika ny fihaonana ny minisitra, Andriantsitohaina Naina. Teo koa ny ekipan’ny sampandraharaham-paritry ny MFFT sy […]

Tetikasa « R.A.V.A.O »: hitondra fanovana miainga eny ifotony

Rahampitso, any amin’ny kaominina Andranomiady, distrika Ankazobe, no hanombohana ny tetikasa Rindra Ananganana Vina amin’ny maha Olombelona na R.A.V.A.O. Tetikasa manokana an-dRandrianarisoa Riana Raymonde, amin’ny maha mpanao gazety mpanadihady lalina azy. Hitondrana fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena sy ara-panahy ny vahoaka malagasy, miainga eny ifotony izany. « Tanjona ny fanentanana ny Malagasy […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitarina miankandrefana ny lalana « Rocade Iarivo » eto an-dRenivohitra. Hanao ny fanadihadiana mialoha ny tetikasa ny Fandaharanasa japoney, Jica. Nisy ny fivorian’ny Vaomiera mpandrindra ny tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny ao amin’ny Jica. Tanjona ny hanatsarana, ny hanitarana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, sady hanamaivanana ny fitohanana. Hatao ny 12 […]

“WorldSkills 2024” : mpanao asa tanana 15 handray anjara

Nisolontena an’i Madagasikara mandritra ny hetsika “WorldSkills 2024” any Lyon-Frantsa, ny 10-15 septambra, ireo mpanao asa tanana malagasy 15. Hampisondina ny fahaiza-manaony sy ny fanaovana haingon-trano amin’ny alalan’ny asa tanana samihafa mandritra io fotoana io ny solontenan’ny firenena. Fifaninana natao ho an’ireo matihanina maneran-tany, ahafahana mampisongadina ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny […]