Mois : septembre 2024

Fifanakalozana ara-barotra : « Mila havaozina ny lalàna mifehy ny Fadintseranana », hoy ny SIM

Mangataka ny hanavaozana ny fitsipika mifehy ny lalàn’ny fanondranana sy fanafarana entana eny anivon’ny Fadintseranana malagasy (DGD) ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Tokony havaozina sy hifanaraka amin’ny filan’ny orinasa ny lalàna mifehy ny fanondranana sy fanafarana entana, hoy ny mpikambana avy amin’ny Sendikan’ny indostria eto […]

Salon des études supérieures : fisafidianana lalam-piofanana manavanana

Hifarana anio, ny «Salon des études supérieures», an­diany faha-21, etsy amin’ny Akoor Digue Andohata­pe­na­ka. Hetsika karakarain’ny Ma­da jeune. Natao hanampiana ireo mpianatra vao afaka ny fanadinana bakalorea teo hahay hisafidy ny lalam-piofanana mifaranaka amin’ny ta­len­ta sy ny manavanana azy ireo. Mampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fitsapam-pahaizana ho an’ny mpianatra eny […]

INDRAY MIJERY

Nanentana ireo mpiasan’ny orinasa afakaba ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovana fandrindram-piterahana. Nidina nitety ireo orinasa ny ekipa ho fitsinjovana azy ireo. Tsy manam-potoana firy andehanana eny amin’ny tobim-pahasalamana ireo mpiasa ka izany indrindra no antony hanaovana hetsika manokana ho azy ireo. Miroso hatrany amin’ny fiarovana ny taniny ny orisana Seimad. […]

PAM sy ny BNGRC : hamafisina ny fiomanana mialoha eny ifotony ho an’ny dimy taona

Namaritra ny fandaharanasa iarahana ho an’ny dimy taona ho avy ny BNGRC sy ny Pam hanamaivanana ny fiantraikan’ny voina amin’ny vahoaka sy ny fihariany. Hahazo vahana ny fiomanana mialoha eny ifotony. Nanohy ny fiaraha-miasa tamin’ny fanamafisana ny fitohizan’ny asa iarahana ny BNGRC sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Main Main. Anisan’ireo mpanakanto mpamoron-kira, mpitendry ary mpandrindra hira nanosika tarika maro izy. Saika nisy dian-tanan’i Main Main avokoa ireo hira malazan’ireo tarika avy any avaratra tamin’ny fotoan’androny. Ilay hirany “Tsy mahangoma” sy “Soava dia” no tena nahafantarana azy. Izay rahateo no nahatonga ny anarany ho Main Main […]