Mois : octobre 2024

Fanajana ny zon’olombelona : nahazo fiofanana ireo polisy mpikaroka fandikan-dalàna

Nosokafana ny 28 oktobra teo, tetsy amin’ny sampan­draharaha misahana ny fikarohana sy fiofanana (DRFC) Antanimora, ny fampiofanana momba ny ady amin’ny fampijaliana olona. Tafiditra indrindra amin’ny fanohizana ny tetikasa nosoniavin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Association pour la prévention de la torture (APT) izao fampiofanana omena ny polisy izao. Natao izao […]

Ambohibao Antehiroka: mpanao fihetsiketsehana roa naratra

Nitora-bato ny fokonolona, nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny zandary teny Ambohibao Antehiroka, afakomaly. Olona roa naratra. Nidina an-dalambe, ni­lanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ny mponina teny Ambohibao An­tehiroka, ny alin’ny talata 29 oktobra teo. Leo tsy fisian-drano sy fahatapahan-jiro, nanakan-dalana naneho ny hatezerany ny mponina teny an-toerana. Nitsoaka kiririoka sy […]

SOMBIM-BAOVAO

Resy nanoloana ny tompondakan’ny WFC i Tojo Heriniriana, tao anatin’ny fifaninanana « WFC Championship », izay ataony any Chine, taranja MMA. Voninahitra lehibe ho azy ity ady ity satria niady teo amin’ ny sokajy -61 kg izy, raha toa ka -57 kg ny sokajin-danja misy azy. Mbola mitohy ny fifaninanana ho an’i […]

JJB-“Fight Cage” : renioney 5 no hifandona amin’ny Malagasy

Raikitra ny fiadiana iraisam-pirenena momba ny “Fight Cage” karakarain’ny Guerre­ros Team. Fifaninanana hotanterahina rahampitso, ao amin’ ny Kianja mitafon’i Mahama­sina. Nambaran’ny mpikara­kara fa ady iraisam-pirenena 5 no hitranga mandritra io fifaninanana goavana io. Sam­bany no hisy fifaninanana anaty “cage” eto Madagasi­kara. Taranja Jiu-jitsu sy Grap­pling, Pancrace ary K1 no hifaninanana […]