Hotanterahina ny sabotsy 16 novambra ho avy izao ny andiany faha-7 amin’ny “Rallye des litchis”, dingana fahadimy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2024. Fifaninanana, karakarain’ny klioba AC 501. Mahatratra 121, 56 km ny halaviran’ity rallye ity. Misy dingana manokana «ES» miisa 6 mirefy 73, 24 km izy ity. Hotanterahina […]
Mois : octobre 2024
Billard – «Mondial 2024»: mpilalao 14 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena
Misedra olana ny ekipa malagasy handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja billard. Tsy mbola azo ny “visa”, ny fifaninanana anefa efa manakaiky. Miisa 14 ireo hiaro ny voninahi-pirenena, any Malte, amin’izany. Hotanterahina any Malte, ny 2 – 10 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka […]
RN 4 : Taksiborosy iray nivadika
Niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ny taksiborosy iray teny Manankazo, omaly maraina. Niala tany Mahajanga, ny harivan’ny talata teo, nikasa hihazo ny Renivohitr’Antananarivo ity fiara fitateram-bahoaka ity. Nandeha mafy ny mpamily tamin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny iray tamin’ireo mpandeha. Tsy nahafehy ny familiana tampoka, nivoaka ny arabe ilay fiara, […]
« Forum des entrepreneurs » : hampivoarana ireo orinasa madinika
Hatao etsy Antaninarenina, ny 8 sy 9 Novambra izao, ny « Forum national des entrepreneurs », andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny club des entrepreneurs MED Aina vao, tohanan’ny Madagascar enterprise de développement. «Renforcer la viabilité des entrepreneurs malagasy », io ny lohahevitra mandritra izany. Hiompana bebe kokoa amin’ny fanampiana torohevitra hampivoarana sy hampiseho ny […]
Sampandraharahan’ny MFFT : mankalaza ny faha-30 taonany nijoroany ny Apipa
Mankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny sampandraharaha miahy sy miaro ny tondradrano amin’ny lemaka Antananarivo (Apipa), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Homarihina amin’ny hetsika maromaro izany. Anisan’ny hampiavaka ny fankalazana ny fampiasana sary famantarana manokana ka ho hita amin’izany ny isa 30. Nosafidiana nohaingoina tamin’ny […]




