Aretina mamany lava : vehivavy 50 000 no marary, 20 voatery nodidina

Midina any amin’ny toerana alavitra ny mpisehatra sosialy ao amin’ny “Opération Fistula” mitady ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava mila fandidiana. Matetika miafina lavitry ny fiarahamonina izy ireny. 20 ireo miatrika fandidiana eny amin’ny Pavillon Sainte Fleur, ny 23 septambra teo hatramin’ny 4 oktobra.

Tanjona ny hanafoana ny aretina mamany lava eto Madagasikara, amin’ny taona 2030. “Tombanana ho 50 000 isa ny vehivavy tratran’io aretina io eto amintsika”, hoy ny solontenan’ny Tahirin’ ny Firenena mikambana mo­mba ny mponina (UNFPA), Josiane Yaguibou, Omaly, teny amin’ny Pavillon Sainte Fleur Anosy. Nanomboka ny taona 2010 no ho mankaty, nahatratra 12 291 ny vehivavy voadidy ary 615 nisitraka izany tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity. Miditra amin’ny andiany faharoa ny fandidiana maimaimpoana io aretina io eny amin’ny Pavillon Sainte fleur, 20 ireo vehivavy sy tovovavy miatrika izany ary mbola misy tsy ampy taona (14 taona). “17 ireo efa niatrika fandidiana hatramin’ny omaly. Avy any Manakara ny 10, roa avy any Farafangana, vehivavy monina eto Antananarivo sy ny manodidina ny ambiny”, hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny Ordre de Malte. Herinandro ny faharetan’ny fiomanana sy ny fandidiana ary fanaraha-maso rehetra mialoha ny hiverenany any amin’ny toerana niaviany avy, raha tsy misy fahasarotana. Efatra ny Malagasy mpitsabo, mpandidy avokoa, misahana ny fandidiana ho an’ny andiany faharoa tarihin’ny profesora Rantomalala Yoël.
Ho an’ireo tsy ampy taona, herisetra mianjady amin’ny tovovavy na ankizivavy tsy ampy taona, mitondra vohoka sady tsy azo ilay zaza rehefa teraka no tratran’ny aretina mamany lava ilay reny noho ny fihetsehan-jaza ela loatra. Tokony hisitraka vaovao sy fanafody isorohana ny vohoka aloha loatra na tsy iriana ny zatovovavy eto amintsika hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny mandritra ny fitondrana vohoka na eo am-piterahana. 34,7% ny tahan’ny vohoka aloha loatra eto amintsika, araka ny fanadihadiana MICS 2018.

Vonjy

Partager sur: