Faritra Anôsy : ho vita tsy ho ela ny lalana RNC6

Manomboka ny asa fanajariana sy fanarenana ny lalana RNC6, mampitohy ny kaominina Mahabo amin’ny kaominina Tsivory. Mirefy 56 km io halavirana io, “radié” 24, tetezana 4 sy tetezana kely 2 no hatao amin’izany. Kaomi­nina 9, ao anaty distrika 3, no handalovan’ity lalana ity ao amin’ny faritra Anôsy.
Any amin’ny 6 km atsimo atsinanan’i Betroka no misy ny kaominin’i Mahabo.Lalana ma­mpifandray tanàna maro ary ahafahan’ny vokatra mivo­a­ka rehefa vita ity hasiam-panamboarana ity.
Nilaza ny minisitry ny Fam­bolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, fa raha te hampitombo vokatra isika dia tsy maintsy tohanana ny tantsaha ary tafiditra ao anatin’ny fanohanana azy ireo ny fanamboaran-dalana hahafahany mamoaka ny vokatra. Fanambin’ny faritra Anôsy, tarihin’ny governora, Rakoto­velomanantsoa Voahary, ny hahafahan’ny mponina mivezivezy sy misitraka lalana tsara.
Sompitry ny faritra Anôsy i Betroka satria mamoaka vokatra hatrany amin’ny 30 000 taonina isan-taona. Anisan’izany ny mangahazo, tongolo, voanjo…Eo koa ny toerana fitrandrahana mica izay mitaky fotodrafitrasan’ny lalana ny famoahana izany. Tsy voatery hiodina any Soanala, Beraketa, Ampama­ta intsony ny vokatra raha vita io ampahan-dalana io. An­koatra izay, manamora ny fidinana haingana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanavotana vahoaka raha misy tranga tsy fandriampahalemana izay mbola manjaka any Betroka any, ny fahavitan’ny lalana RNC6.

Tatiana A

Partager sur: