Ho tohin’ilay hetsika “Fijery hafa” natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ireo tanora amam-behivavy hiofana.
Hanomboka ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny fiofanana maimaimpoana, ary mahatratra hatrany amin’ny 164 ireo tonga nanamafy ny fahavononany, ny faran’ny herinandro lasa teo, nandritra ny fihaonana tamin’ny minisitra tao amin’ny Amphi Ampefiloha. Hiara-dalana amin’ireo mpandray anjara hatrany ny minisitera ary hisy mari-piofanana hozaraina aorian’ny dimy andro iofanana. Mitsinjara ho toy izao ireo sampam-panofanana: fanaovana mofomamy 22, informatika 39, nahandro 23, taovolo 22 ary zaitra 58.
Manao ezaka manatona ny vahoaka ny minisitera mamantatra ny filany sy ny talentany hamoronana asa vaovao sy lalam-piofanana mifanaraka amin’izay.
Vonjy




