Taorian’ny hetsika “Fijery hafa”, natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, mitohy hatrany ny ezaka mahakasika ny fanofanana faobe ataon’ ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline. Fomba fiasa vaovao napetraky ny minisitra ny fijery hafa. Tanjona ny hanatonana manokana ireo vondron’olona marefo sy hanomezana fiofanana azy ireo, izay mifanojo amin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika mametraka ny maha zava-dehibe ny lafiny maha olona.
Hanomboka ny 28 oktobra ho avy izao ny fiofanana maimaimpoana ary mahatratra 164 ireo tonga nanamafy ny fahavononany hiatrika ny fanofanana. Hiara-dalana amin’ireo mpandray anjara hatrany ny minisitera. Hisy koa ny mari-piofanana hozaraina ho an’ny nahavita ny fiofanana. Sampam-panofanana dimy betsaka mitady no homena azy ireo : fanamboarana mofo mamy, informatika, nahandro, taovolo ary zaitra.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika “Fijery hafa” ny 18 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’i Mopera Anosibe, hiara-hiasa amin’ny fokontany 32. Hisy tolotra manokana ho an’ireo te hahazo diplaoma amin’ny alalan’ny fankatoavana fahaiza-manao validation des acquis et de l’experience (VAE). Miantefa amin’ireo olona efa manana traikefa izany ka maniry ny hisitraka mari-pahaizana mifanaraka amin’izany.
Vonjy




