Sehatry ny nomerika : teratany malagasy voafantina ho mendrika

Voafidy amin’ny programa “Reciprocal Exchange”, taona 2024, sahanin’ny Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders, Randrianomanana Rija, teratany malagasy sy ny Dr. Timothy L. Weekes.
Fandaharanasa izay tohanan’ny birao misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ao amin’ny departemantam-panjakana amerikana ity nahavoafidy azy roa lahy ity.
Dingana iray vita amin’ny fa­mpivoarana ny fanavaozana nomerika sy ny fampandrosoana ara-toekarena izany. Hiara-kiasa amina tetikasa iray mo­m­ba ny “Mobil application solution”, izay ampiasana ny “Arti­fi­ci­al Intelligence” ny Dr. Timothy Weekes, manam-pa­hai­zana momba ny siansa informatika sy ny fitoviana amin’ny fanabeazana ary ny fitarihana.
Toraka izany i Rija, izay injeniera informatika ary manana traikefa 16 taona amin’ny fampivoarana ny rindrambaiko nomerika.
Hisy atrikasa momba ny famolavolana paikady, izay hokarakarain’izy mirahalahy miaraka. Tanjona amin’ izany ny hanatsarana ny tetikasan’ ny orinasa vao misondrotra.
Marihina fa maintimolalin’ ny “YALI Mandela Washington Fellowship”, taona 2017, Randrianomanana Rija ary ny Dr. Timothy L. Weekes kosa dia manana mari-pahaizana doctorat amin’ny sehatry ny fampianarana .
Hiara-kampiasa ny fahaiza-manaony izy ireo mba hitondra vokatra tsara amin’ny fanohanana ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny nomerika eto Madagasikara ary mirehareha amin’ny fanohanana ity tetikasa ity i Etazonia.

Tatiana A

Partager sur: