Tafajoro sy miasa ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nampahafantarina ny 10 oktobra 2024, tetsy amin’ny Motel Anosy, izy io. Rafitra eo anivon’ny Ilontsera, «observatoire des médias et de la communication», tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Manehoa”. Anjara asan’izy io ny manome tohana ara-tsaina sy torohevitra maimaimpoana ary fiarovana […]
Mois : octobre 2024
Eto Madagasikara : manodidina ny 2 tapitrisa ny ankizy manao asa manandevo
Mbola maro ny olona mampiasa ankizy eto Madagasikara. Mora kokoa ny karama. Ny ray aman-dreny mihitsy no maniraka ny zanany hiasa noho ny fahasahiranana. Asa mafy sy miendrika fanandevozana anefa matetika no ataon’izy ireny. Nandritra ny fihaonan’ ireo mpiara-miombon’ antoka tetsy Anosy, ny alatsinainy teo, no nandinihina ny Drafitrasam-pirenena iadiana […]
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 50 taonina ny lohamenaka Ylang Ylang naondran’i Madagasikara ny taona 2023. Mbola ambanin’ny 125 taonina izay naondrana ny taona 2019 sy ireo 600 taonina naondrana tany aloha izany. Niantraika betsaka teo amin’ny seha-pihariana ny krizin’ny Covid-19 sy ny lalàna vaovao momba ny tontolo iainana. Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy […]
Sakafo andavanandro : ambany ny taham-pihinanana atody
Manodidina ny 20 isan’olona, isan-taona, eo ny taham-pihinan’ny Malagasy atody, raha toa ka maherin’ny 67 izany ao Afrika. «Tsy mahavantana ny Malagasy ny fihinanana atody isan’andro», hoy ny fanazavan’i Landy, mpiompy akoho eny Analamahitsy. Lafo ny vidin’atody noho ny tsy fahampian’ny katsaka. Na izany, manomboka misehatra tsikelikely eo amin’ny fiompiana […]
Ala honko : teknisiana 20 hiofana any Chine
Manana anjara lehibe amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny ala honko. Efa lasa lavitra amin’ny fitantanana sy fiarovana azy ny any Sina. Manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ho fiarovana azy ny fikambanana International Mangrove Center (IMC) sy ny Mangrove Conservation Foundation (MCF) avy any Sina. Tanjona […]




