Mois : octobre 2024

Comesa: mandray anjara amin’ny fihaonana antampony faha-23 i Madagasikara

Tanterahina anio, any Bujumbura Burundi, ny fihaonana antampony faha-23 ny filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta an’ny firenena mivondrona ao amin’ny Comesa. Firenena miisa 21, mpikambana eo anivon’ny Comesa, no haitrika izany fivoriana izany. Anisan’ny mandray anjara amin’izany I Madagasikara, amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. «Handeha hanafaingana ny vondron-tendrom-paritra […]

Fandraharahana: hampihatra lalàna ny Fitsarana

Vonona hanao ny anjara tandrify azy amin’ny fampiharana ny lalàna ao anatin’ny fangaraharana sy tsy fitanilana ny minisiteran’ny Fitsa­rana. Fantatra izany tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny fikambanan’ireo banky miasa eto Mada­gasi­kara, tamin’ny alalan’ny As­sociation professionnelle des banques (APB) ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny […]

Taratasin’ny MMM nalefa any amin’ny FMI: “Raiso ny andraikitra hampitsaharana ny kolikoly”

Hentitra sy nahitsy ny taratasin’ny antoko Malagasy miara-miainga nalefa any amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Nambaran’izy ireo fa manana andraikitra goavana koa ireo mpiara-miombon’antoka manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’ireo teboka efatra lehibe nofaritan’ny MMM amin’izany taratasy nalefa any amin’ny FMI izany ny tokony hampifantohana ny fandaniana ny volam-panjakana amin’ny lafiny sosialy. Anisan’ […]

Ravalitera Jacques Michaël : “Ny mpitsikera ihany no mandika lalàna”

“Ny manahirana: ny mpitsikera ihany no mandika lalàna. Rehefa izy na izy ireo ve no mandika lalàna dia mety?”. Io ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alarobia, omaly, momba ny hoe efa misy manao fampielezan-kevitra sahady amin’izao mialoha ny vanim-potoan’ny tena fampielezan-kevitra, izay amin’ny 19 novambra, […]

Rabary Paul: « Samy hafa ny tanjon’ny antoko politika sy ny mahaleo tena »

Mihavery hasina ny antoko politika mitaha amin’ny tsy miankina amin’ny fifidianana, ohatra? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Rabary Paul. “Samy hafa ny tanjon’ny antoko politika sy ny mahaleo tena”. Dinidinika.. Gazety Taratra (*): Ny […]