Dans la commune rurale de Tatao se niche Maroala et sa dignité
Mois : octobre 2024
« Salon de l’Auto » : hasandratra ny fiara elektrika
Nanomboka omaly hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika « Salon de l’auto », karakarain’ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara eto Madagasikara (GCAM). Miisa 10 ny mpikambana ao aminy, ary 25 ny mpampiranty, ahitana mpivarotra fiara amin’ny ankapobeny, kamiao, fiara vaventy enti-miasa, moto, kojakoja, vokatra ilain’ny fiara, […]
Seranam-piaramanidina Ivato : azo antoka ny famatsian-drano
Miandraikitra ny famatsian-drano ireo fiaramanidina miainga eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Ivato Antananarivo ny orinasa MGH. Nandray fepetra ity orinasa ity mba tsy hiantraika any amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ireo kaompania vahiny. Manome toky ny MGH fa azo antoka hatrany ny famatsian-drano fisotro any anaty fiaramanidina ho an’ireo kaompania miainga eny […]
DAB-SG : afaka hakana vola amin’ny Orange money
Azo atao manomboka izao ny misintona vola Orange money eny amin’ny « Distributeur automatique de billet » (Dab) ny Société Générale (SG) manerana ny Nosy. Mitovy sarany toy ny eny amin’ny Cash point ny fanaovana izany. Tombony ny hahafahana misintona vola amin’ny fotoana rehetra eny amin’ireo Dab 139 ny SG tsy ampiasana […]
Olan’ny rano : nandroso vahaolana ny fitondram-panjakana
Efa ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana entina mamaly ny filan’ny vahoaka sy mamaha ireo olana misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Anisan’izany izao vahaolana fohy ezaka tanterahina izao. Efa niatrana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nanomboka omaly, ireo fiarabe hitatitra rano ho amin’ny ireo « Bonbonnes », izay efa miparitaka manerana ny tanànan’Antananarivo. Anisan’ny fepetra noraisina nandritra […]




