Mois : octobre 2024

Eo ny vahoaka hitsara

  Nivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà. Miroso ny fifidianana kaominaly: manakaiky vahoaka, miantoka ny fampandrosoana ifotony… Mby aiza? Na mba tena izay no mampihazakazaka… Laingalainga, tsy ilaozan’izay misy mahabe resaka etsy sy eroa. Nahoana? Politika no tena manetsika sy manesika ny sasany, fa tsy izay fampandrosoana loatra. Mbola ho azo […]

Fitantanana ny firenena: mitaky ny hanitsiana ny rafitra ny MFM

“Mila manitsy rafitra i Madagasikara raha te hanana fitoniana”, hoy ny antoko MFM. Ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpanao politika sy ny filohan’ny Repoblika no tokonana amin’izany. Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana ny firenena ny eo anivon’ ny antoko MFM, tamin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitan­tana, Randrianirina Ignace “Ramasy”. Nambarany fa anisan’ny […]

Nangalatra tsaramaso : dahalo iray maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary raha nikasa hitsoaka tao Berenty/Betsileo, distrikan’Ankazoabo, omaly, nandritra ny fifanenjehana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Mahatasoa. Nisy trangana fanafihana tao amin’ny fokontany Berenty II, kaominina Berenty Ankazoabo, ny 6 oktobra 2024 teo. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola 1 hetsy Ar sy tsaramaso 100 kapoaka […]

nanafika mpampanofa fiara : telo lahy voasambotry ny zandary

Voasambotra, omaly, avokoa ireo telo lahy niray tsikombakomba tamin’ny fandrobana mpampanofa fiara. Mody niantso an’io mpampanofa fiara io ny olona iray fa misy ramatoa bevohoka entina. Nigadona teny amin’ny toerana nifanomezana, lehilahy miisa telo no niandry an’io mpamily io, ny 9 septambra lasa teo. Notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny Big-boss avy hatrany […]

Andohanilakaka: olona nahatrarana rongony 40 gony

Saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andohanilakaka, omaly, ireo andian’olona niaraka tamin’ny rongony 40 gony. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nandeha an-tongotra ho any Ilakaka izy ireto kanjo nifanehatra tampoka tamin’ny zandary. Nampiahiahy ny zandary ny fihetsik’izy ireo somary hafahafa ka nirosoana ny fisavana karapanondro. Nitohy ny fanadihadiana […]