Mila tonga saina Ra-Malagasy! Fa tsy ho vitavita mora ity olan’ny sosialy ity. Tena difotry ny fahantrana ny mponina. Tsy misy intsony ny kilasy antonony izay tokony ho mpampihodina ny ankamaroan’ny seha-pihariana. Andaniny ny mpanefoefo, mpanontany ny ory. Ankilany ny fadiranovana resin’ny fiainana. Tsy misy afaka ny hilaza ny […]
Mois : octobre 2024
PDS Ramanantsoa Harilala: tsy hitantana an’Antananarivo intsony manomboka anio
Afapo tamin’ny ezaka vitany tao anatin’ny iray volana ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Nitatitra ny zava-bitany tao anatin’ny iray volana nitantanany an’Antananarivo Renivohitra ny PDS Ramanantsoa Harilala, omaly, tetsy Analakely. Nambarany fa fohy ny fotoana nefa nanao ny ezaka rehetra ny tenany. Notanisainy tamin’izany ny vahaolana narosony nandaminana […]
Namono vady: lehilahy sarona tanaty fampisehoana
Nampihoron-koditra! Izay no azo ilazana ny fihetsika feno habibiana nataon’ny raim-pianakaviana iray tamim-badiny tao amin’ny fokontany Lanonana, kaominina ambanivohitr’i Fanasana, ny 5 oktobra 2024 teo. Rovitra ny tarehiny, nipoitra hatramin’ny taolan-tongony mihitsy. Disadisa niainga avy amin’ny adina mpivady no niantombohan’ny olana ka niafara tamin’izao vono sy ratra niniana natao izao. […]
67 HA : maty voatifitra i Mika kely mpanafika Cash point
Nikotrika hanao fanafihana Cash point toy ny fanaony ny andian-jiolahy nitondra moto teny 67 Ha, ny alahady 06 oktobra teo. Nitondra moto, nivezivezy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ireo. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny izay tsy mazavazava. Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany izy ireo. Nigadona teny an-toerana, nitily […]
Seho tetsy Antsonjombe : tanora 22 mianadahy voasambotra
Tsy mety fay! Tanora 22 mianadahy indray tratra nanao fandikan-dalàna nandritra ny lanonana famaranana ny “kopi-kole” teny Antsonjombe, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) no nahasambotra azy ireo. Nisy ireo tao anatin’ny kianja no voasambotra, tao kosa ireo teny ivelany, araka ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny […]




