Mois : octobre 2024

Ordre des architectes (OAM): Tsy manana fahazoan-dalana ny 80% ny fanorenana trano

Mikorontana ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto Madagasikara noho ny tsy fanatonana ireo matihanina amin’ny maritrano. Miantoka ny kalitaon’ ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina. «Tsy manara-penitra ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto amintsika. Tsy manana fahazoan-dalana koa ny 80% amin’izany », hoy ny filohan’ny Holafitry ny matihanina amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 5 ha ny velaran-tany natokana ho an’ny minisiteran’ny Angovo, eny amin’ny tanàna vaovao haorina, Fieferamanga. Hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro io toerana io. Hanampy ny herinaratra mahery vaika, manana tanjaka 35 KV ihany koa eny an-toerana. Miisa roa ny orinasa sinoa manarina ny lalana RN2. Manamboatra ny ampahany […]

Manjakandriana: mpanamboatra saribao 86 nomena fiofanana

Faritra anisan’ny tena ahitana ala kininina ny distrika Manjakandriana. Toerana mpamokatra saribao, mamatsy ny aty an-dRenivohitra. Nahazo fiofanana ny mpamokatra, ka nomena mari-piofanana, ny volana septambra teo. Miisa 86 izy ireo, avy any amin’ny kaominina miisa 11, nomena fiofanana ara-teknika nohatsaraina amin’ny fomba fanamboarana saribao (Tac). Tanjona ny hitandroana ny […]

Antalaha; Tohodrano hanondraka 128 ha

Mangetaheta fampiroboroboana ny fambolena ny tantsaha any Antalaha. Tohodrano roa no vita, ahafahana mampitombo ny vokatra. Notokanana ny volana septambra teo, ny iray amin’ireo tohodrano roa namboarina any amin’ny kaominina Ambohitralanana, distrika Antalaha. Mahatratra 33 metatra ny halavany, manana lakandrano 2 225 m, amin’ny ilany havia ary 1 175 m […]

TARATRY ny KANTO

Eny amin’ny Ivokolo Analakely indray ny ambohi-pihaonan’ny mpankafy Jazz, anio, ao anatin’ny «Festival Madajazzcar» andiany faha-35. Sanda Ranaivosoa Quartet no hanafana ny sehatra mandritra ity hetsika ity. Izy izay anisan’ireo nivoaka tamin’ny fampiofanana Madajazzcar. Nahavita ny fifaninanana hamaritana ny solotenany, hiatrika ny “Slam National XV” (SN XV), atao eto Antananarivo […]