Iray volana taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpianatra mahakasika ny olan’ny rano sy ny jiro eny amin’ny Cité universitaire R+1 Ankatso II, nitondra vahaolana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Napetraka ny faran’ny herinandro teo, teny an-toerana, ny vato fototry ny lavadrano (forage) ho an’ny Cité […]
Mois : octobre 2024
Toetry ny andro: I Ancha no rivodoza voalohany
Nahazo anarana Ancha ilay andro ratsy ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 3 000 km avaratra atsinanan’i Madagasikara ny foibe. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika izany. Hitombo hery ho lasa rivodoza mahery vaika kosa anefa izy androany. Hihena ny heriny aorian’izay ka heverina […]
Antananarivo Renivohitra : nijery ny fanadiovana lakandrano ny PDS Ramanantsoa Harilala
Nidina ifotony teny Anosibe ny PDS Ramanantsoa Harilala, omaly, nijery ny fanadiovana lakandrano. Teo koa ny fanatrehany ny fanolorana fitaovana ho an’ny mpamonjy voina… Nambarany fa natao hanamaivana ny olan’ny mponina amin’ny fiakaran’ny rano ny fanadiovana ny lakandrano tahaka izao. Nanentana ny rehetra koa izy mba hanaja ny fahadiovana. Nanombohana […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina anio, eny amin’ny Pho Resto Ivato, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Tsiakoraka. Fampisehoana hihaonana amin’ireo mpankafy ny tarika hatramin’izay sy hankafizana indray ny hira nampalaza sy nahafantarana ny tarika. Hiarahan’ny rehetra mankafy mandritra ity fampisehoana ity ireo hira nahafantarana azy. Hifampizara sehatra ao amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina, […]
Madajazzcar: handray anjara i Lalatiana
Vahiny tsy nampoizina. Efa fantatra fa handalo an-tanindrazana i Lalatiana, saingy omaly kosa vao fantatra fa anisan’ireo handray anjara amin’ny “Madajazzcar” andiany faha-35 ny tenany. Any Antsirabe ny fiakarany an-tsehatra, mandritra ny seho famaranana, ny alahady 12 oktobra izao. Seho ao amin’ny Hotêl des Thermes Antsirabe, manomboka amin’ny 4 ora […]




