Mois : octobre 2024

Paikadim-pirenena : hatao isan-taona ny tomban’ezaky ny ady amin’ny kolikoly

“Hanomboka amin’ny 2025: hisy ny paikady iadiana amin’ny kolikoly, fa hisy koa ny drafitra fanatanterahana. Hisy fijerena manokana isan-taona ny hoe: inona no vita, inona no tratra, inona no mbola tsy vita? Hisy tatitra amin’ny vahoaka izay nifanarahana sy izay tena vita nandritra ny taona”, hoy ny filo­han’ny Komity mitandro […]

« Revy » mafia !

  Olam-piarahamonina tsy maintsy sedraina ny mahakasika ny famatsian-drano sy jiro eto Madagasikara. Raha ny tsilian-tsofina heno, mandraiky marary hatramin’ny mpitantana ao amin’ny Jirama. Henjana be ny tsindry sy ny tery avy amin’ny deban’ny tanàna. Tsy maha vazaha ny vazaha ny firaisankinan’ireo Malagasy sasany izay manao volo mpanoha randrana (?). […]

Fihaonana an-tampon’ny frankofonia : hisokatra anio, any Paris, renivohitr’i France

Mitohy hatrany ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena isan-karazany. Manatsara ny toeran’i Madagasikara amin’ny tontolo diplomatika izany. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, Paris France, omaly maraina, ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Fran­kofonia, andiany faha-19 izy ireo. Efa any an-toerana ny ankamaroan’ny delegasionina […]

TSELATRA

Teny am-pelantanan’ny vehivavy iray ny zanany no hitan’ny renim-pianakaviana tampoka teny Andra­no­nahoatra Itaosy, omaly. Ahina ho mpangala-jaza ity vehivavy ity ka raikitra teo ny horakoraka. Navelan’ity mpangala-jaza ity ilay zazakely ka lasa izy nitsoaka. Nifanenjehan’ny olona izy saingy tsy tratra. Novakin’ny jiolahy ny lakozian’olona iray teo an-tokotany, teny Amboatavo Itaosy. […]

Nirefotra ny basy… : Jiolahy iray voatifitry ny polisin’ny Fip

Maty voatifitry ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Anki­ri­hiry Toamasina, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Andian-jiolahy maromaro no voalaza fa mampihorohoro ny mponina ao amin’ny fokontanin’ Ankirihiry sy Cité Haras hatrany Valpinson ary Andra­nomadio. Tsy mitsitsy mihitsy ry zalahy fa mitondra faisana avokoa izay […]