Mois : octobre 2024

Tranoben’ny Tantsaha : fanamafisana ny fiofanana ho an’ny mpikambana

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François, ny delegasiona notarihin’ny fi­lo­han’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra, Razafim­bololona Angeline, ny 23 oktobra teo. Nangataka fiaraha-miasa sy tohana avy amin’ny minisitera ity fikambanana ity hanamafisana ny fampiofanana ny mpikambana, entina hampitomboana ny vokatra. Nambaran’ ny minisitra fa hisy ny fihaonambe […]

Hazandrano : tilapia 25 000 narotsaka ao Andranotapahana

Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina ny jono ao amin’ny farihin’Andranotapahana Ambohidratrimo. Mamatsy hazandrano an’i Talatamaty sy Ambohidratrimo ary indrindra ny aty an-dRenivohitra. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 25 000 tao amin’ny farihy, ny 23 oktobra teo, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Marovatana sy ny fikambanana Ezaka Firaisankina. Natao ity hetsika ity mba hiteraka tombontsoa […]

Tontolo iainana : misy tetikasa hiarovana ny alan’Ankarafantsika

Anisan’ny valanjavaboahary marefo ny ala maina an’Ankarafantsika. Misy ny tetikasa hiarovana azy, iarahan’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nampahafantarina ny 23 oktobra teo ny tetikasa «Ala maiky Ankarafan­tsika», entina hanamafisana ny fiarovana ny alan’Anka­ra­fantsika, tantanin’ny Mada­gas­car National Parks (MNP). Famatsiam-bola manokana avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny […]

Fiparitahan’ny zava-mahadomelina : hanampy ny polisim-pirenena ny Amerikanina

Tontosa ny 25 oktobra 2024, teny amin’ny foibem-pibaikoan’ny polisim-pirenena Anosy, ny dinika momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena. Dinika niarahana tamin’ny ambasady Ameri­kanina, tamin’ny alalan’ny International Narcotics and Law enforcement, notarihan’i Brian Morales. Nitarika ny delegasiona ho an’ny minisiteran’ny […]

Fampianarana teny anglisy : feno 50 taona ny Cnela Antsahabe

Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy ny Cnela. Manamarika ny faha-50 taona nampianarany izy ireo amin’ity taona ity. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny Cnela, ary manana rantsana any amin’ny faritra. Nanatanteraka loabary an-dasy niompana tamin’ny fandinihana ireo fomba vaovao enti-mampianatra ny teny anglisy ao […]