Mois : octobre 2024

Namontana : jiolahy maty voatifitry ny Sag

Nifanenjehan’ny Service Anti-Gang eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny Namontana, ny sabotsy 26 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io. Tsikaritry ny mponina eny an-toerana fa nitondra antsy lavalela izy tamin’io fotoana io. Ity farany izay […]

Zazavavy voatery naiditra hopitaly: nidoboka am-ponja ilay renikely namono azy

Niakatra fitsarana, naiditra any am-ponja, nahazo sazy mihatra herintaona, ilay vehivavy nidaroka ny zana-badiny tao Soahatsiadino, Fianarantsoa, ny zoma 25 oktobra teo. Nodarodarohan’ny renikeliny noho ny fisiana vola very tao an-trano ny zazavavy iray tao Fianarantsoa, ny 11 oktobra lasa teo. Niara-nipetraka amin’io sakaizan-drainy io ilay zaza. Nitrangana fahaverezam-bola anefa […]

Kaominina Alatsinainy Ambazaha : vehivavy maty main’ny herinaratra

Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy, main’ny herinaratra, vokatry ny fisiana andrin-jiro nianjera tamin’ny tany teny Atsimondrano, ny sabotsy tolakandro teo. Tandrevaka tanteraka no niteraka ny loza. Maty tsy tra-drano main’ny herinaratra mahatratra 350 volt ny renim-pianakaviana 30 taona teny amin’ny fokontany An­janamanoro, kaominina Ala­tsinainy Ambazaha, distrikan’Atsimondrano, ny tolakandron’ny sabotsy teo, […]