Safidy miainga avy amin’ny filan’ny olona no nanaovana ny fiofanana manamboatra savony sy ny labozia, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Betsaka ny tolotra avy amin’ny minisitera fa mila miseho kosa ireo olona vonona hiofana sy ny sehatra […]
Mois : octobre 2024
Sorabola ho an’ny fahasalamana : nanaovana adidisika teny amin’ny Antenimierampirenena
Nisy atrikasa nitafan’ny firaisamonina sivily sy ireo mpanao tantsoroka ara-bola sy teknika misehatra amin’ny fahasalamam-bahoaka, ary ireo solombavambahoaka mitarika ny vaomiera maharitra ao amin’ny Antenimierampirenena, omaly, teny Tsimbazaza. Tanjona lehibe ny hampahafatarana ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny vahoaka (izay zo fototra), indrindra ny hetsika fanaovam-baksiny hiarovana ny ankizy amin’ny aretina […]
TARATRY ny KANTO
Mr Sayda sy ny zandry Gasy, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fiarahana hafakely ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Na samy tanora aza mantsy, tsy mitovy gadona sy karazana mozika ny tarika roa tonta. Afaka miaraka tsara mihitsy anefa, satria samy be mpankafy. Mbola hanampy azy ireo […]
« Invitation aux Temps »: tetikasan’Andriantseheno Finoana Ratovo
Hotanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana ny tetikasa «Invitation aux Temps». Fampirantiana tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno, laharana faharoa nandritra ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahavalo, miaraka amin’ny Fondation H. Ity tetikasa ity dia manasa antsika hanaiky ny fiovana sy ny tsingerina voajanahary […]
Saïry : Miaro, mampahalala ary mampiely ny mozika malagasy
Mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianivosoa. Ankoatra ny nandraisany anjara tamin’ny fampisehoan’i Lalatiana, nampahafantatra ny asan’ny Saïry Production izy. Natambatry ny mozika Malagasy. Patrick Lavaud, talen’ny “Les Nuits Atypiques” any Langon, izay anisan’ny niketrika ny Feo Gasy niaraka tamin’i Erick Manana. Nadiah Randriamananjara, misehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana zavakanto. Rija Randrianivosoa, […]




