Mois : octobre 2024

Karate-Mada 2024 : mpikatroka 500 no andrasana

Higadona afaka dimy andro ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, izay hatao any Toliara. Manodidina ny 500 eo ny mpikatroka manerana ny Nosy andrasana, araka ny fanazavana nentin’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasion’ny Karate-do Malagasy (FKM). Araka ny efa nampahafantarina hatramin’izay, ireo mpikatroka roa voalohany isaky ny sokajy […]

3FB Rugby Club: takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny mpanazatra

Tsy misy ny vokatra fa mitotongana foana ny ekipan’ny 3FB rugby amin’izao fotoana ka takin’ireo mpilalao tranainy na ny eto an-toerana na ny any ivelany, ny hialan’ny mpanazatra sy ny mpitantana ankehitriny. Manoloana ny vokatra ratsy azon’ny 3FB ta­ranja rugby, nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpilalao tranainy. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, […]

Asa fandikan-teny : mahasarika ny mpianatra ny teny anglisy sy sinoa

Maro ny Malagasy mandranto fianarana mahakasika ny asan’ny mpandika teny. Ankoatra ny teny anglisy, maro no liana amin’ny teny sinoa “mandarin”. Tena efa anisan’ny be mpampiasa indrindra maneran-tany ny teny sinoa na “mandarin” aorian’ny teny anglisy. Mampiasa io ho fiteny ofisialy ny 67% na 715 tapitrisan’ny mponina mipetraka any amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, teny amin’ny Foibe toeran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fivoriana voalohany ho fanomanana ny ny Fihaonana an-tampon’ny Filoham-panjakana sy ny Governemantan’ny Sadc, izay atao eto Madagasikara ny taona 2025. Nitarika izany ny delegasionina avy amin’ny Sadc, natrehan’ireo solontenan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy. Nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona malagasy, […]

MPANOLOTSAINA : manana fahefana hampiato ny ben’ny Tanàna

Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna, izay iray lisitra amin’ny kandidà ben’ny Tanàna. “Manana fahefana hampitsahatra na hampiato ny ben’ny Tanàna amin’ny asany ny mpanolotsain’ny Tanàna eo amin’izay zava-mitranga amin’ny fitantanana ny kaominina”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly. […]