Manao izay ho afany amin’ny famongorana ireo tambajotrana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao Toamasina ny polisim-pirenena. Mitsofoka manerana ny lalampasika rehetra. Tao anatin’izany no nahatsikaritra andian-jatovo mody mipetrapetraka eo amoron-dranomasina mifanila amin’ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Dépôt I, Toamasina ny polisy, ny talata teo. Nametraka paikady rahateo ireo mpitandro filaminana […]
Mois : octobre 2024
Karohina ny lehibeny : telo vavy mpisoloky notanana am-ponja
Tafakatra telo ireo vehivavy notanana am-ponja, izay mpiray tsikombakomba amin’ny fisolokiana olona mandefa mpiasa any Canada, ny talata 22 oktobra teo. Olona fito anatin’ny fianakaviana iray nosolokian’ireo vehivavy ireo tamin’ny alalan’ny orinasa nampahafantarina anatin’ny tambajotran-tserasera. Nilaza ho mahavita mandefa olona hiasa any amin’ny firenena matanjaka any Amerika Avaratra izy ireo. […]
Nataony takalonaina ny zanany roa lahy: voasambotra ilay reny nahavanon-doza
Nampiasain’ny renim-pianakaviana iray ho fitaovam-pitadiavam-bola ny zanany roa tao Mandritsara, ny alarobia 23 oktobra teo. Nolazainy fa nisy naka an-keriny izy mianadahy kely ka mila volabe vao avotra. Fahasarihanana sady fitiavam-bola tafahoatra! Voasambotry ny mpitandro filaminana ny renim-pianakaviana iray sy lehilahy niray tsikombakomba aminy noho ny fanaovana sarintsarina fakana an-keriny, […]




