Mois : octobre 2024

TARATRY ny KANTO

Hivoaka rahampitso ny “Tantara taloha”, hiran’i Rak Roots. Hira efa noforoniny tamin’ny taona 2017 izy ity, izay havoakan’ny tarika natsangany, ho fanomezam-boninahitra ity mpanakanto ity. Tokony hankalaza ny faha-32 taonany rahampitso mantsy i Rak Roots, ka rariny loatra raha hampifanojoana amin’ izay ny fivoahan’ity hira ity. Fanombohana ihany, fa hisy […]

Taona 2025 : hanampy ny mpanao klasika ny Madagascar Mozarteum

Anarana tsy afaka miala eo amin’ny fampiroboroboana ny mozika klasika eto Mada­gasikara ny Madagascar Mo­zarteum izay mandia ny faha-14 taonany ankehitriny. Tafi­ditra ao anatin’ny tanjona tratrarin’izy ireo, ny hanome tosika ireo mpanakanto na tarika miangaly mozika klasika, ny taona 2025. Afaka mandefa ny momba azy sy ny fandaharam-potoanany, amin’io taona […]

« Festival Thrillers » : tanjona ny hanome sehatra ny karazan-javakanto mampatahotra

Raha ho an-dry zareo ivelany, efa manana ny toerany ny karazan-javakanto mampatahotra. Maro ny Malagasy mpanakanto efa mahafehy ny famokarana sy fanatontosana zavakanto ao anatin’io karazany io. Izany indrindra no antony hisian’ny hetsika ho fanomezana sehatra azy ireny. Hotanterahina eny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny 26 hatra­min’ny […]

Fampivoarana ny fanatanjahantena : maka lesona, hanarina ny lesoka ny minisitera

Nandray fanapahan-kevitra mahakasika ireo vokatra ratsy azon’i Madagasikara, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena ara-panatanjahantena, ny minisitra mpiahy, Abdoulah Marson Moustapha, omaly, teny Maha­ma­sina. Voaresaka tao indrindra ny baolina kitra. Nampahafatarina, omaly, tetsy Mahamasina, ny fiaraha-miasan’i Marôc sy i Madagasikara, mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra eto an-toerana. Namba­ran’i […]