Mois : octobre 2024

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD : hisitraka fotodrafitrasan’ny Padeve ireo tanàn-dehibe

Miditra amin’ny andiany faharoa ny Fandaharanasa fampandrosoana ho amin’ny fandrindrana ny tanàn-dehibe (Padeve2). Nankatoavina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany(MFFT), omaly, izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MFFT, Ran­driamananjara San­ drina, fa anisan’ny hisitraka fotodrafitrasa iarahana amin’ ny AFD ny ao Antsiranana, Fia­narantsoa, Antsirabe, Toliary, Toamasina ary Mahajanga. “Hisitraka […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ny sabotsy teo, ny taom-piasan’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM) 2024-2027, sy ny taom-panabeazana 2024-2025. Natolotra, nandritra izany, ireo mpitarika rehetra teo amin’ny Mpanazava, Tily, ny komity lehibe ary ny firaisan’ny mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza . Nofanina ireo mpiantsehatra mahakasika ny fampisakafoana […]

Faritra Amoron’i Mania : Betsaka ny olona voan’ny bilarziozy

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny maintany, manomboka ny volana aogositra hatramin’ny oktobra, ny fotoan’ny ady amin’ ny fangerena sy famaniana ankalamanjana, fototry ny aretina bilarziozy na takilodrano. Entanina ny olona hampitsahatra izany satria rehefa tonga ny rotsakorana, kaohin’ny ria­ka ny tay sy ny fivalanan-drano ka lasa eny amin’ny renirano, tanimbary ary lakandrano […]

Dinika tetsy Ankatso: vahaina ny olan’ ny fahasamihafana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny Oniversiten’ An­ta­nanarivo, ny dinidinika ho an’ny vehivavy manolo-tena eto Madagasikara. Dinika mikendry ny hamahana ny olan’ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanabeazana ary ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Tetikasa niarahana tamin’ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina […]

Rajoelina Mialy: “Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-dakilasy”

Samy manana ny olana sedrainy ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Iraisana ny fahatsapana fa tokony hatsaraina ny famatsiana fanafody sy ny fitiliana ary ny fijerena manokana ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina. Haharitra hateloana ny fivoriana faha-20 iraisan’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina mo­mba ny […]